Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zanaka fa tsy andevo

Daty
Zoma 10 May 2024

"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana hoentintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana."- Heb. 12:28.

Mofon'Aina:   
Marobe no mitonona ho mpanara-dia an' i Kristy kanefa tsy mampihatra ny Teniny. Tsy mankamamy ny Teniny izy ireo satria maneho fanompoana tsy mahafinaritra azy izany. Tsy tiany ny fananarana mahavonjy sy ny fiantsoana hentitra sy vokatry ny fo. Halany ny fahamarinana; ary fehezin'ny firehetam-po maha-olona sy feno haratsiana izy ka ampahorin'izany.

Zava-dehibe tokoa ny fomba anaovantsika fanompoana ho an'Andriamanitra. Ny tovolahy kely izay mahatsiaro ho mijaly eo am-pianarana ny lesony dia tsy ho tonga mpianatra tena izy na oviana na oviana. Ny lehilahy izay milaza ho mitandrina ny didin'Andriamanitra noho ny fiheverany fa tsy maintsy ataony izany dia tsy mba hiditra amin'ny fifalian'ny fankatoavana velively.

Ny fototra sy ny ivon'ny fankatoavanarehetradiany fampiharana ny fitsipika fray iainana ao anaty - ny fitiavana ny fahamarinana, ny fitiavana ny lalan'Andriamanita. Fahatokiana amin' ilay Mpanavotra antsika no fototry ny fahamarinana rehetra, ny fanaovana ny tsara satria izany no tokony hatao. Rehefa heverina ho enta-mavesatra ny Tenin'Andriamanitra noho izy mikasika mivantana ny fironan'ny olombelona, dia tsy fiainana kristianina izany ny fiainana ara-pivavahana fa fanerena sy fankatoavana an-tery ihany. Manjary voailika ny fahadiovana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ao anatin 'ny fivavahana.

Ny fandraisana ho isan'ny ankohonan'Andriamanitra anefa dia mahatonga antsika ho zanaka fa tsy andevo. Rehefa miditra ao am-po ny fitiavana an' i Kristy dia manao ny ezaka hanahafanany toetran' i Kristy isika. (…) Arakaraka ny andinihantsika momba ny fiainan'i Kristy amin'ny fo manaiky ampianarina no hanahafantsika Azy. Fahatakarana mazava no bitsihin'ny Fanahy Masina ao am-pon'ireo rehetra mpanatanteraka ny Teny. Arakaraka ny hanomboantsika amin'ny hazo fijaliana ireo fanao feno fitiavan-tena ka hizarantsika ireo fitahiana azontsika amin'ny hafa sy hampiasantsika ny fahaiza-manao omen'Andriamanitra no hampaherezana sy hampitomboana ny fahasoavan'ny lanitra ao anatintsika. Hitombo amin'ny fiainam-panahy isika, amin'ny faharetana, amin'ny herim-po, ary amin'ny fahamoram-panahy. (...) - TMK, t. 118. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal