Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahamarinana manova

Daty
Zoma 17 May 2024

"Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo." - Heb. 4:12.

Mofon'Aina:
Ny fahamarinan'ny Baiboly, izay tehirizina ao am-po sy ao an-tsaina ary ankatoavina eo amin'ny fiainana dia mandresy lahatra ny fanahy sy manova ny fo, manova ny toetra, ary mampahery sy manandratra ny fo. (...) Mahatonga ny mpiavonavona hanetry tena ny Teny, manjary malemy fanahy sy torotoro fo ny ratsy fanahy, ary tonga mpankato ny mpandika lalàna. (...) Manaisotra ireo faniriana araka ny nofo ny Teny. Mpamantatra ny fisainana sy ny fikasan'ny fo izany. Mampisaraka ny tonona sy ny tsoka izany (...), ka mahatonga ny olona manaiky ny hiari-pahoriana noho ny amin'ny Tompony.

Zavatry ny lanitra, masina ary mitondra fitahiana ny fanompoana an'i Kristy. Aoka hodinihina am-pahazotoana ny Teny, satria ny asan'ny Teny no maneho ireo kileman-toetrantsika ary koa mampianatra antsika fa ny fanamasinan'ny Fanahy dia asan'ny lanitra. (...) Ampianarin'ireo andalana ao amin'ny Baiboly isika mba ho tonga tanteraka amin'ny fanahafana an'i Kristy ary mba hahita ny tavan'ny Ray eo amin'ilay nanolotra ny Ainy hamonjena fanahy.

Raha Kristianina marani-tsaina ianao dia hitoetra ao aminao ny tanjaka ara-pivavahana ka tsy ho tototry ny fahasarotana samihafa ianao. (...) Hanao ny asan'Andriamanitra ianao na amin'ny andro sarotra na amin'ny voninahitra, na amin'ny andro maloka na amin'ny andro mamiratra, na amin'ny fizahan-toetra na amin'ny fiadanana. Aoka hotehirizina toy ny harena ao am-ponao ny fahamarinana ary koa hitoetra ao anatinao manontolo, mba tsy hisy fakam-panahy na koa tohan-kevitra hisarika anao hilefitra eo ambany tolo-tsain'i Satana na ny fitaka ataony. Sarobidy ny fahamarinana. Mitondra fiovana manan-danja eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny toetra izany, manana hery miasa mangina lehibe eo amin'ny teny sy ny fitondran-tena ary eo amin'ny fisainana sy ny fanandramam-piainana. Ny fanahy mankamamy ny fahamarinana dia miaina eo ambany hery miasa manginan'izany ary mahatsapa ny maha-zava-misy marina sy manan-danja ny mandrakizay. Tsy ho velona ho an'ny tenany izany fanahy izany fa ho an'i Jesôsy Kristy ilay maty ho azy (...). - TMK, t. 199. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal