Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahamarinana manova

Daty
Zoma 17 May 2024

"Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo." - Heb. 4:12.

Mofon'Aina:
Ny fahamarinan'ny Baiboly, izay tehirizina ao am-po sy ao an-tsaina ary ankatoavina eo amin'ny fiainana dia mandresy lahatra ny fanahy sy manova ny fo, manova ny toetra, ary mampahery sy manandratra ny fo. (...) Mahatonga ny mpiavonavona hanetry tena ny Teny, manjary malemy fanahy sy torotoro fo ny ratsy fanahy, ary tonga mpankato ny mpandika lalàna. (...) Manaisotra ireo faniriana araka ny nofo ny Teny. Mpamantatra ny fisainana sy ny fikasan'ny fo izany. Mampisaraka ny tonona sy ny tsoka izany (...), ka mahatonga ny olona manaiky ny hiari-pahoriana noho ny amin'ny Tompony.

Zavatry ny lanitra, masina ary mitondra fitahiana ny fanompoana an'i Kristy. Aoka hodinihina am-pahazotoana ny Teny, satria ny asan'ny Teny no maneho ireo kileman-toetrantsika ary koa mampianatra antsika fa ny fanamasinan'ny Fanahy dia asan'ny lanitra. (...) Ampianarin'ireo andalana ao amin'ny Baiboly isika mba ho tonga tanteraka amin'ny fanahafana an'i Kristy ary mba hahita ny tavan'ny Ray eo amin'ilay nanolotra ny Ainy hamonjena fanahy.

Raha Kristianina marani-tsaina ianao dia hitoetra ao aminao ny tanjaka ara-pivavahana ka tsy ho tototry ny fahasarotana samihafa ianao. (...) Hanao ny asan'Andriamanitra ianao na amin'ny andro sarotra na amin'ny voninahitra, na amin'ny andro maloka na amin'ny andro mamiratra, na amin'ny fizahan-toetra na amin'ny fiadanana. Aoka hotehirizina toy ny harena ao am-ponao ny fahamarinana ary koa hitoetra ao anatinao manontolo, mba tsy hisy fakam-panahy na koa tohan-kevitra hisarika anao hilefitra eo ambany tolo-tsain'i Satana na ny fitaka ataony. Sarobidy ny fahamarinana. Mitondra fiovana manan-danja eo amin'ny fiainana sy eo amin'ny toetra izany, manana hery miasa mangina lehibe eo amin'ny teny sy ny fitondran-tena ary eo amin'ny fisainana sy ny fanandramam-piainana. Ny fanahy mankamamy ny fahamarinana dia miaina eo ambany hery miasa manginan'izany ary mahatsapa ny maha-zava-misy marina sy manan-danja ny mandrakizay. Tsy ho velona ho an'ny tenany izany fanahy izany fa ho an'i Jesôsy Kristy ilay maty ho azy (...). - TMK, t. 199. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (11)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal