Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fialofana azo antoka

Daty
Sabotsy 18 May 2024

"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." - Fil. 4:6.  

Mofon'Aina:
Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hivesaran'ny vahoakany ny   enta-mavesatry ny fiahiahiana. Tsy mamitaka antsika anefa ilay Tompontsika. Tsy milaza amintsika Izy hoe: "Aza matahotra fa tsy misy loza mananontanona eny an-dalanao." Fantany fa misy ny fitsapana sy ny loza samihafa, ary milaza izany mazava amintsika Izy. Tsy manoso-kevitra ny hanala ny olony tsy ho eto amin'ny tontolo feno fahotana sy faharatsiana Izy, fa mampitodika ny sain'izy ireo amin'ny fialofana azo antoka kosa. (...)

Ahoana no itoerantsika ao amin'ny fisalasalana ka ametrahantsika fanon-taniana raha toa tia antsika i Jesôsy, na dia be fahotana sy manana kilema marobe aza isika? Nanolotra ny Tenany ho antsika Izy mba hahafahany manavotra antsika amin'ny tsy fahatanterahana rehetra ka hanadiovany antsika ho tonga vahoaka miavaka ho Azy, vahoaka izay vonona hanao asa tsara. Tonga teto amin'ny tontolontsika tao anatin' ny olombelona feno fanetren-tena Izy, mba hahalalany ny fahoriana sy ny fakam-panahy izay mivelatra eo an-dalan'ny zanak' olombelona, ary koa mba hahalalany ny fomba hanampiana ireo reraka amin'ny fanolorany fitsaharana sy fiadanana ho azy ireo.

An'arivony anefa no manosi-bohon-tanana ny fanampiany ka mainka aza mifikitra mafy amin'ny enta-mavesatry ny fiahiahiany. Manatona ireo ory Izy ary manolo-tena hanamaivana ny alahelon'izy ireo sy hanasitrana ny fony maratra. (...) Tolorany fifaliana ireo diso fanantenana sy tsy mino ary malahelo ka tarihiny hitodika amin'ny fonenana izay omaniny ho azy ireo. (...)

Isaky ny miposaka ny andro fray dia ny herin'i Jesosy no tokony hiatrehantsika ireo fitsapana sy fakam-panahy ao amin'izany. Raha tsy manao izany isika amin'ny andro iray, dia manampy ny enta-mavesatra ho an'ny andro manaraka ka ho kely ny herintsika. Aoka isika tsy hanemban-drahona ny hoavy amin'ny tsy firaihana ankehitriny, fa hihevitra sy hitandrina amin'ny fanaovana ireo adidy ho fiomanana ny fiatrehana ireo fahamehana hiseho rahampitso. Ilaintsika ny mikolokolo toe-tsaina falifaly. (...) Aoka isika hijery mandrakariva ny lafiny tsara eo amin'ny fiainana ka ho feno fanantenana, ho feno fitiavana sy hanao asa tsara, ary ho faly mandrakariva ao amin'ny Tompo (...). - TMK, t. 225.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal