Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hanameloka fa hamonjy

Daty
Alahady 02 June 2024

  "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." — Jao. 3:17. 

Mofon'aina:
Misy ireo fanahy izay mangovitra ao anatin'ny fisalasalana, mametra-panontaniana hoe: "Ahoana no ahafantarako fa vita fihavanana amin'Andriamanitra marina aho? Ahoana no ahazoako antoka fa tena tia ahy sy namela ny heloko marina Izy?" Tsy anjaranao ry zandry malala ny manao izay hahamarina anao eo anatrehan'Andriamanitra. Manasa anao i Jesôsy hanatona Azy miaraka amin'izao enta-mavesatrao sy olonao rehetra izao (...) Raiso ny teny fikasana sy ny fanampiana efa nomen'Andriamanitra (...) Aza mijery ny tenanao fa jereo i Jesôsy; ao amin'i Kristy mantsy no isehoan'ny toetran'ny Ray.

 Ny ran'i Kristy mahavonjy no hany fanantenantsika; amin'ny alalan'ny fahamendrehany irery ihany mantsy no ahazoantsika famelan-keloka sy fiadanana.

 Mitombo ny finoantsika sy ny fitiavantsika satria raha ny fahitana ny toetran'Andriamanitra ao amin'i Kristy dia manana Ray be famindrampo sy feno antra isika (...)

 Tokony ho voakasiky ny herin'i Kristy mitondra fiainana ny hevitrao sy ny fisainanao, mba hisy fahatsarana sy fahamarinana mitoetra ao. Misy fahamarinana lehibe sy sarobidy ilainao banjinina mba hahamafy orina ny finoanao sy hanananao fahalalana marina an'Andriamanitra. Ô raha mba fantatr'ireo izay feno tsy firaihana sy tsy mifototra tsara amin'ny fikatsahana ny fahamarinana mantsy, fa na toy inona na toy inona fahendren'izao tontolo izao dia tsy mahalala an'Andriamanitra izy. 

Tsara ny mianatra araka izay azo atao ny zavatra rehetra avy amin'ny zavaboary, saingy aoka tsy hohadinoina ny mitodika any amin'i Kristy avy eo mba hahafantarantsika amin'ny fahafenoany ny toetran'Ilay Andriamanitra velona. Hitombo amin'ny fahalalana ny toetrany ianao amin'ny fibanjinanao an'i Kristy sy ny fiezahanao hanahaka Azy, ka hanjary ambony sy madio ary mendrika ny sainao sy ny fonao. Aoka ny tanora hikendry avo, tsy hiankina amin'ny fahendren'olombelona (...) 

Hitoby manodidina izay miantehitra mandrakariva amin'Andriamanitra ka matoky sy mivavaka Aminy amin'ny fo tsotra ny anjelin'ny lanitra (...)

Izay miaina amim-pinoana an'i Kristy dia hahazo hery sy hasandratra, ho afaka hiady ny ady tsaran'ny finoana, ary hahazo ny fiainana mandrakizay. — HP, t. 16. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal