"Hatramin'ny andro nanoherany ny filazana tsy misy finoana nataon'ireo mpisafo tany, dia tsy niova mihitsy ny finoan'i Kaleba. Ninoany ny teny fikasana nataon'Andriamanitra ho an'ny olony mba hahazoany ny tany Kanana, ka narahiny maso miandalana ny fahatanterahan'izany. Niara-niaritra ny dia lavitr'Isiraely iray firenena taminy izy, niara-nizaka fahadisoam-panantenana sy famaizana tamin'ny olom-meloka. Niombona fihafiana sy loza ary farmaizana taminy izy, ary torak'izany koa ireo taona niadiana nanaraka tatý aoriana.
Tena ilaina ho amin'ny fitomboantsika ara-panahy ny fibanjinana ny oha-piainan'ireo olo-malazan'ny finoana mahery fo. Etsy andanin'izany anefa, ny ohatra faratampony ho antsika dia i Jesôsy Kristy ny fiainany sy ny fampianarany. Manova antsika ny fibanjinantsika ny fiainan'i Jesôsy; amin'ny fomba ahoana? Jereo ny Heb. 12:1,2; 2 Kor. 3:18.
Manomboka sy mamarana ireo lisitra lava misy anaran-toerana izay nanamarika ny sisin-tanin ireo fokon'ny Isiraely, ny tatitra momba ny fizaran-tany ho an'ireo mahery fo anankiroa, dia i Kaleba sy i Josoa, izay nisafo voalohany ny tany. I Kaleba no nahazo ny lovany voalohany, ary i Josoa kosa no nahazo farany. Hatreo amin'io fotoana io dia i Josoa no nizara tany ho an'ireo fokon'ny Isiraely; anjaran'ny vahoaka Isiraely kosa avy eo ny nanome lova ho an'i Josoa.
Vakio ny Jos. 14:6-14, Nom. 14:24, Nom. 32:12, Deo. 1:36, ary ny Lio. 6:45. Ahoana no anoritsoritanao ny toe-tsain'i Kaleba sy i Josoa? Inona no hevitry ny hoe "tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehôvah Andriamanitro"?