Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

January 2026

Eo an-tanan'ny mpanefy tanimanga

 "Fa ankehitriny, Jehovah ô, Rainay Hianao; izahay dia tanimanga, ary Ianao no mpanefy anay, ary asan'ny tànanao izahay rehetra." — lsa. 64:7.

Mofon’aina:
Ao amin'ny Teniny, dia ampitahain'Andriamanitra amin'ny mpanefy tanimanga ny tenany, ary ny olony no tanimanga. Mamolavola sy manefy azy ireo araka ny Endriny no asany. Ny leson'ny fileferana no tokony hianaran'izy ireo. (...) Raha omen-danja ny toromarika avy amin'Andriamanitra, rehefa milefitra amin'ny Sitrapony ny "izaho" dia siny tsara tarehy no hivoaka avy eo an-tanan'ilay Mpanefy. - SDABC, b. 4:1154.

Miara-miasa amin'ny lanitra

 "Miasà amin 'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny famonjena anareo." — Fil. 2:12,13.

Mofon’aina:
Miankina tanteraka amin' Andriamanitra ny olom-belona eo amin'ny asa famonjem-panahy. Tsy haiiiy amin'ny herin'ny tenany samirery ny hanao dingana hankeo amin'i Kristy raha tsy taomin'ny Fanahin'Andriamanitra izy. Eo mandrakariva izany fitaomana izany ary ho eo hatrany raha tsy mampalahelo ny Fanahy Masina izy noho ny fiziriziriany handà. (...)

Nifidy ahy Andriamanitra

 "Satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin 'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina." - 2 Tes. 2:13.

Mofon’aina:
Voalaza ao amin'ireo andalan-teny ireo ny zava-droa loha miantoka ny famonjena ny taranak'olombelona - ny asa ataon'Andriamanitra ao am-po ary ny finoana velona sy matanjaka ananan'ireo mpanara-dia an'i Kristy. (...)

Mpiandry miahy sy tia antsika

 "Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mihebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany." - Lio. 15:7.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

"Ny fitiavan-dray izay niampita tamin'ny taranaka nifandimby tamin'ny alalan'ny fon'olombelona, ny loharanom-pitiavana rehetra izay nivoha tao amin'ny fon'ny olona, dia toy ny sakeli-drano kely ihany manoloana ny ranomasimbe tsy hita fetran'ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy misy lela mahalaza izany na penina mahasoritsoritra ny momba azy.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.

Andalan-teny iray fanta-daza ao amin'ny Baiboly ny 1 K6r. 8:2: "Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantasy akory izy." Tsy misy lohahevitra iray izay fantatsika ny momba azy rehetra. Azontsika atao mandrakariva ny mahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny zavatra rehetra. Manao ahoana moa no mampitombina izany bebe kokoa raha momba ny fahamarinana mandrakizay mifandraika amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo? Matetika i Paoly no miresaka momba ny fietrena mahagaga nasehonli Kristy tamin'ny nahatongavany ho olona.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.

Hoy i Mohamed Ali, indray andro: "izaho no mahery indrindra." Tamin'ny volana Aogositra 1963, enim-bolana talohan'ny nandreseny tamin'ny fifanintsanana maneran-tany amin'ny ady totohondry ho an'ny sokajy vaventy, dia namoaka raki-peo izy, izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "izaho no mahery indrindra". Tsy isalasalana fa mpanao fanatanjahantena manana ny maha-izy azy tokoa i Ali, saingy tsy ohatra natao harahina izy ho an'izay maniry hanana ny sain'i Kristy.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?

Mihamitombo hatrany maneran-tany ireo orinasa mikaroka ny fomba hampitambarana ny fahaiza-manaon'ny solosaina sy ny atidohan'olombelona. Toy izao izany raha lazaina amin'ny teny hafa: ny fampifandraisana ny atidoha amin'ny solosaina dia antenain'ny mpahay siansa fa hahafahana mifehy ny fisainantsika amin'ny alalan'ny solosaina. Mety mampanantena vokatra tsara ny fametrahana fitaovana kely ao amin'ny atidohan'olombelona, anisan'izany ny fanampiana amin'ny fifehezana ny aretina androbe sy ny fahaketrahana ary ny aretin'i Parkinson.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.

Saintsaino bebe kokoa ny fanasongadinan'i Paoly ny firaisana ao amin'ny Fil. 2:2, izay ilazany zavatra iray ihany amin'ny fomba efatra samy hafa. Mariho koa ny fifantohany amin'ny saina sy ny hevitra ary ny fo. Nanana fironana hifantoka tamin'ny fiseho ivelany ireo mpitondra fivavahana, fa i Jesôsy kosa nifantoka tamin'ny fisainan'ny olona sy ny fihetsehampony. Ilay tovotahy mpanapaka, ohatra, dia nilaza fa efa nitandrina ny didy mandrakariva.

Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.

Vakio ny Fil. 2:1-3. Inona no azo heverina fa niteraka ny fisaratsarahana tao amin'ny fiangonana? Inona no fanefitra atoron'i Paoly manoloana izany?

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal