Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

April 2026

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.

Arakaraka ny maha-akaiky ny fanatonantsika an'i Jesôsy, sy arakaraka ny ahitantsika mazava kokoa ny fahadiovan'ny toetra amam-panahiny, dia ho arakaraka izany no hahitantsika indrindra ny tena maha-fahotana ny fahotana ary arakaraka izany koa no ho fahakelezan'ny fahatsapantsika ny tokony hanandratantsika tena. Ireo izay eken'ny lanitra ho masina no farany indrindra hampidera ny hatsaran-toetrany." -HF, tt. 156, 157 (ed. 2004)

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.

Avereno vakina ny Lio, 22:27. Inona no hafatra fototra ho an'ireo mpanara-dia an'i Kristy rehetra ao?

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.

Alao sary an-tsaina hoe mpianatr'i Jesôsy ianao. Miara-mandeha Aminy, miara-misakafo Aminy, matory eo akaikiny, ary mianatra Aminy raha manova fiainan'olona maro Izy, ary anisan'izany ny fiainanao. Mifanizina manodidina Azy ny olona, ary mahatsapa tena ho manokana ianao satria nofidiny ho anankiray amin'ireo roa ambin'ny folo akaiky Azy indrindra. Rehefa izay dia manomboka manontany tena ianao hoe, iza àry no lehibe indrindra amin'ny mpianatra rehetra?

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.

Nirentirenty nanerana ireo efitrano lehiben'ny lapan'ı Egypta ny harena sy ny fahafinaretana ary ny fiadanana. "Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy. Asa. 7:22. Nivelatra teo anoloany ny fiainana feno fahefana sy harembe ary laza, kanefa i Mosesy nifidy zavatra hafa tanteraka noho izany. "Tsy nisy nitovy taminy tamin'ny fahaizana tantara sy tononkira sy filozófia ary ny maha-mpitari-tafika sy mpanao lalána azy.

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.

Nisy lehilahy roa nankany am-piangonana mba hivavaka. Ny iray dia loholona manan-kaja izay mijoro eny aloha alohan'ny fanombohan'ny fotoam-pivavahana, eo anatrehan'ny fiangonana mba hahitan'izy ireo azy. Mivavaka amin'ny feo avo izy, ary misaotra an'Andriamanitra noho ny fahatsarana izay heveriny fa ananany. Ilay lehilahy iray hafa kosa, dia olona izay ailiky ny fiarahamonina; any aoriana indrindra ao amin'ny fiangonana no ijoroany. Manganohano ny masony noho ny vesatra napetraky ny fahotana eo an-tsorony.

Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.

Avonavona, rehefa mientreritra io teny io ianao, dia mety hahita sary an-tsaina mpanao politika mirehareha, olona manan-karena na fanta-daza iray, na koa ny vorombola. Ny avonavona dia fihetsehampo izay mahatonga ny olona iray hino fa manan-danja na tsara kokoa noho ny hafa ny tenany. Eny tokoa, fihetsehampo izay tsy azo ianteherana ary tsy tokony hianteherana ny avonavona.

Aza miantehitra amin'ny fihetsehampo

 "Aoka hohazonintsika mafy  ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana)." - Heb. 10:23

Mofon’aina:
Ny fivavahan'i Kristy dia tsy fivavahan'ny fihetsehampo fotsiny. Ny fihetsehampo dia tsy azonao ianteherana ho porofo fa eken'Andriamanitra ianao, satria miovaova izany. Aoka ny tongotrao hifahatra arnin'ireo fampanantenan'ny Tenin'Andriamanitra (...) ary hianatra hiaina amin'ny finoana. -RH, 5 Mey 1891.

Ny sahan'ny teny fikasan'Andriamanitra

"Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain 'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon 'Andriamanitra." - Heb. 10:36

Raha nanao fahadisoana, matokia

"Miantombena amin 'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho." - Sal. 62:5,6

Amin'ny fotoan-tsarotra, matokia

"Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin 'ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, nefa izaho dia mbola hifaly amin 'i Jehovah ihany sy hiravoravo amin 'Andriamanitry ny famonjena ahy." - Hab. 3:17,18

Pagination

  • Previous page
  • 4
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal