Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

AO AN-DAPAN'NY HAFA FIRENENA

Daty
Alatsinainy 25 December 2023

Taorian'ny firodanan'ny fanjakan'i Babilôna sy ny fisandratan'ny fanjakan'i Media sy Persia dia Jiosy maro no niverina tany amin'ny tanindrazany. Tsy ny rehetra. anefa no niverina. Nijanona teo amin'izay nonenany hatramin'ny taranaka teo alohany na mihoatra aza, ny sasany tamin'izy ireo.

Eo am-pisaintsainana izany toerana misy azy ireo izany dia hitantsika nyampahany amin'ny tontolon-kevitry ny tantaran'i Estera. "Tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka" - Est. 1:2. Eto no toerana nitrangan'io tantara ara- Baiboly io, ny fanjakana persianina izay teo ambany fanapahan'io mpanjaka io.

Ao amin'ny toko voalohany dia tsy nahita sitraka teo imason'ny mpanjaka intsony ny mpanjakavavy Vasty, ka nahatonga ny mpanjaka hitady mpanjakavavy hafa hisolo azy. Tao anatin'izany tontolon-kevitra izany no nahitana voalohany indrindra an'i Estera sy i Mordekay dadatoany.

Vakio ny Est. 2:1-9. Inona no amplanarin'ireo andininy ireo antsika momba ny toe-javatra natrehin'i Môrdekay sy I Estera?

Voalaza fa nipetraka teo am- bavahadin'ny lapa i Môrdekay, amin'ny maha-tandapa azy, ary nonina tao amin'ny tanànan'i Sosana niaraka tamin'i Estera zanaka vavy natsangany, na zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniny raha ny marimarina kokoa. Noho ny toerana notanan'izy ireo sy ny faritra nonenany dia tafiditra tao anatin'ny kolontsaina persianina izy ireo. Azo antoka fa anisan'ny antony nahatonga an'i Estera ho voafidy haseho amin'ny mpanjaka izany: "mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy" - Est. 2:8.

Vakio ny Est. 2:10, 20. Inona no mitranga eto, ary nahoana i Môrdekay no nanome azy baiko toy izany?

Na dia tsy nilaza mazava ny antony aza ny andalan-tenin'ny Baiboly dia tsy sarotra ny haminavina izany. Amin'ny maha vahiny azy tany amin'ny kolontsaina sy ny fivavahan'ny hafa izay mety hampidi- doza, araka izay ho hitantsika, dia naneho fahendrena izy ireo tamin'ny fanginany momba ny fianakaviany sy ny vahoakany.

Toe-javatra manao ahoana no mety hieritreretanao fa malina kokoa ny tsy firesahana mivantana momba ny finoantsika? Sa tsy tokony hanao izany mihitsy Isika? Ary raha izany, nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal