Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aro ho antsika ao anatin'ny andro sarotra

Daty
Talata 23 January 2024

Vakio ny Sal. 17:7-9; Sal. 31:1-3, sy ny Sal. 91:2-7. Inona no ataon'ilay mpanao Salamo ao anatin'ny fotoan-tsarotra?

Tojo olana isan-karazany ny mpanao Salamo eto, ary mitodika amin'i Jehovah izy ao anatin'izany rehetra izany, Izay aro ho azy ao anatin'ny fahoriana, na toy inona na toy inona izany. Ny matoky an'Andriamanitra dia ny mifidy tsotra izao hanaiky an'Andriamanitra ho Tompo mpanapaka ny fiainana na inona na inona toe-java-miseho. Raha afaka mitoky amin'Andriamanitra ao anatin'ny fotoan- tsarotra isika dia ho afaka hitoky Aminy amin'ny fotoana rehetra.

Ny fanandraman'ilay mpanao Salamo tamin'ny lasa no mahatonga azy hanao hoe: "Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy ary Andriamanitro, Izay hitokiako." - Sal. 91:2, ary ankehitriny izany dia manatanjaka ny finoany ny amin'ny hoavy. Antsoiny hoe "Avo Indrindra" sy "Tsitoha" Andriamanitra noho ny fahatsiarovany ny fahalehibiazan'ilay Andriamaniny tsy takatry ny sainy.

Miresaka ny amin'ny fiarovana mety ho hita ao amin'Andriamanitra koa ilay mpanao Salamo: "Fierena" ("toerana miafina" - DIEM), "aloky ny Tsitoha" (Sal. 91:1), "Fialofako sy batery fiarovana" (Sal. 91:4), ary "fonenana" (Sal. 91:9) hoy izy. Maneho toeram-pialofana avokoa ireo amin'ny kolontsain'ny mpanao Salamo. Saino ny hafanana mandoron'ny masoandro any amin'iny faritra iny, dia ho azoriao an-tsaina ny hatsaran'ny alokaloka, na tsarovy ireo fotoan'ny ady teo amin'ny tantaran'ny Isiraely dia hahafaly anao ny fiarovana entin'ny ampinga na ny batery fiarovana.

Vakio ny Sal. 17:8 sy ny Mat. 23:37. Inona ny sary an'ohatra ampiasaina eto, ary inona no ambarany?

Iray amin'ireo sary an'ohatra maneho indrindra ny fahakekezan'Andriamanitra ny hoe: "ao ambanin'ny aloky ny elatrao" (Sal. 17: 8; Sal. 57:1; Sal. 63:7). Manolotra fampaherezana sy toky io fanoharana io amin'ny fanehoana ny renivorona iray miaro ny zanany. Oharina amin'ny voromahery izay miaro ny zanany ao ambanin'ny elany ny Tompo (Eks. 19:4; Deo. 32:11), ary koa amin'ny reniakoho manangona ny zanany ao ambanin'ny elany (Mat. 23:37).

Rehefa mamely anefa ny loza ka toa tsy hitantsika ny fiarovan' Andriamanitra, dia manao ahoana ny fiatrehantsika izany? Ny fahorian- tsaintsika ve midika fa tsy miaraka amintsika eo Andriamanitra? Hazavao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal