Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Azo antoka ny fiahian'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 22 January 2024

Vakio ny Sal, 40:1; Sal. 50:15; Sal. 55:22; ary ny Sal. 121. Amin'ny fomba ahoana no Idiran'Andriamanitra amin'ny fiainantsika andavanandro?

Ao amin'ny Soratra Masina dia maneho ny Tenany ho llay Andriamanitra velona miasa ho an'ireo izay miantso Azy i Jehovah. "Eo anatrehako mandrakariva Jehovah" - Sal. 16:8, hoy ny mpanao Salamo. Noho izany dia matoky an'Andriamanitra sy miantso Azy izy (Sal. 7:1; Sal. 9:10). Handre azy ny Tompo na dia avy ao "amin'ny lalina" aza no iantsoany Azy (Sal. 130:1,2); izany hoe, tsy misy afa-miala tsy ho eo ambanin'ny fanapahan'Andriamanitra ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana. Araka izany, ny antsoantson'ny mpanao Salamo, na antsom-pahoriana toy inona aza izany, dia ombam-panantenana mandrakariva.

Ny Sal. 121 indray dia manasongadina ny herin'Andriamanitra Mpahary eo amin'ny fiainan'ireo mahatoky manokana. Miseho araka izao manaraka izao izany hery izany:

(1) "Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao" - Sal. 121:3. Matetika entina ilazana ny dian'ny olona eo amin'ny fiainany ny hoe "tongotra" (Sal. 66:9; Sal. 119:105; Ohab. 3:23). Ny teny hebreo nilazana ny hoe "tsy (...) hangozohozo" dia manambara ny fiarovana omen'Andriamanitra izao tontolo izao (Sal. 93:1) sy an'i Ziona (Sal. 125:1).

(2) Ny fanehoana an'i Jehovah ho Mpiambina ny Isiraely (DIEM), Izay tsy matory na rendrehana, dia manasongadina ny fahavononan'Andriamanitra mandrakariva hiditra an-tsehatra ho an'ny zanany (Sal. 121:3,4).

(3) Ny hoe "Jehovah no fialofanao"- Sal. 121:5,6 dia mampahatsiahy ny andry rahona tamin'ny andron'ny Fahafahana ao amin'ny Eksôdôsy (Eks. 13:21,22). Toy ny tamin'izany dia manome fialofana ara-bakiteny sy ara-panahy ho an'ny vahoakany ny Tompo.

(4) Eo amin'ny ankavanan'izy ireo Andriamanitra (Sal. 121:5). Ny tanana havanana dia entina anehoana ny tanana matanjaka indrindra, ny tanana miasa (Sal. 74:11; Sal. 89:13). Eto dia manambara ny fahakekezan'Andriamanitra sy ny fanampiany izany (Sal. 16:8; Sal. 109:31; Sal. 110:5).

(5) Hamafisina mazava ao amin'ny Sal. 121:6-8 ny fiarovan'Andriamanitra ny olony. Hiaro ny zanany amin'ny ratsy rehetra Andriamanitra. Na ny "masoandro" na ny "volana" dia tsy hamely azy ireo. Hiaro azy ireo Andriamanitra "na mivoaka na miditra". Ny fiahian'Andriamanitra antsika tsy an-kiato amin'ny lafiny rehetra no asehon'ireo fomba fiteny kanto ireo.

Ahoana no mety hahafahanao mahatsapa kokoa ny maha-zava-misy ny fiahian'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao isan'andro? Ahoana no hahaizanao miara-miasa tsara kokoa amin'Andriamanitra mba hamelanao Azy hiasa ao anatinao sy amin'ny alalanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal