Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 30 August 2024

Vakio ny "Vahoaka tandindomin-doza" (toko 64), "Ny tempoly nodiovina indray" (toko 65) ary ny "Adihevitra" (toko 66) ao amin'ny IFM.

"Ny nataon'i Kristy tamin'ny nanozonany ilay hazo izay noforonin'izy tenany tamin'ny heriny, dia mijoro ho fampitandremana ny fiangonana rehetra sy ny kristiana rehetra. Betsaka anefa no tsy mivelona amin'ny fiainan'i Kristy feno famindrampo sy tsy mihevitra ny tenany. Misy mihevitra ny tenany ho kristiana tsara indrindra ka tsy mahalala izay raiketin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Manao drafitra izy sy mandinika izay hahafaly ny tenany ihany. Araka ny izaho ihany no zavatra ataony. Tsy misy vidiny aminy ny fotoana raha tsy hanangonany ho an'ny tenany. Izany no zava-kendreny eo amin'ny raharaha rehetra eo amin'ny fiainana. Tsy ho an'ny hafa fa ho an'ny tenany ihany no hanaovany fanompoana. Namorona azy Andriamanitra mba hivelona eo amin'izao tontolo izao izay tsy maintsy hanatanterahana fanompoana tsy misy fitiavan-tena. Notendreny izy hanampy ny mpiara-belona aminy amin'ny fomba rehetra. Nefa midadasika loatra ny `izaho' ka tsy afaka mahita zavatra hafa izy. Tsy nifandray tamin'ny olombelona izy. izay mivelona toy izany ho an'ny tenany dia tahaka ilay aviavy, izay nihambo ny zavatra rehetra, nefa tsy nisy voany. Manaraka ny fomba fanompoam-pivavahana izy, nefa tsy misy fibebahana na finoana. Araka ny fanekem-pinoana, dia manaja ny lalàn’Andriamanitra izy, nefa tsy misy ny fankatoavana. Miteny izy, nefa tsy manao. Ny didim-pitsarana natao tamin'ilay aviavy dia nampisehoan'i Kristy fa maharikoriko eo imasony fo fihatsaram-belatsihy tsy misy antony io. Ambarany fa ny mpanota ampahibemaso dia tsy meloka noho izay milaza fa manompo an'Andriamanitra, nefa tsy mitondra voany ho voninahiny." - IFM, tt. 623-624.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra   
1. Saintsaino ny hevitry ny fanadiovan’i Kristy ny tempoly. Ahoana no mety hampiharana izany fitsipika izany eo amin'ny fiangonantsika ankehitriny? Ahoana no tokony hisehoan'izany fanadiovana izany?

2. Manerana ny filazantsara, imbetsaka i Jesôsy no nampitodika ny olona ho amin'ny Soratra Masina sy ny fomba tsy maintsy hahatanterahan'izany. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ireny ho an'ny fiainam-pinoana? Nahoana isika no tokony handà amin'ny fomba hentitra ny fiezahana rehetra hampihena ny fahefan'ny Soratra Masina, indrindra ny filazana fa ny Soratra Masina dia fiheveran'olombelona momba an'Andriamanitra fotsiny ihany sy ny toetrany ary ny fomba fiasany?

3. Aiza ny tsipika manasaraka ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana? Ahoana no itarihan'ny fampianaran'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 12:13-17 izany fifanakalozan-kevitra izany?

4. Jereo ireo andalan-teny miresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty. Nahoana izany fampianarana izany no zava-dehibe ho an'ny finoantsika, indrindra rehefa mihevitra momba ny toetry ny maty isika? • • • • 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal