Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 06 September 2024

Vakio ny "Teo amin'ny tendrombohitra Oliva" (toko 69) ao amin'ny IFM.

Marobe ny zava-mitranga mampitebiteby eto amin'izao tontolo izao. Mihorohoro fatratra ny olona manoloana ny toe-java-misy. Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, izay manana fahalalana fanampiny momba ireo toe-javatra miseho, ahoana no ampiasantsika izany mba hampitodihana ny olona amin'ny fanantenana ananantsika ao amin'i Jesôsy sy ny teny fikasana ny amin'ny fiaviany?

"Satria tsy fantatsika ny fotoana marina hiaviany, dia hafatrafarana isika hiambina. `Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy Izy.' Izay miambina ny hiavian'ny Tompo dia tsy midonanaka foana eo am-piandrasana. Mahatonga ny olona hatahotra ny Tompo sy hatahotra ny fitsarana hahatra amin'ny fandikan-dalàna ny fiandrasana an'i Kristy. Mamoha azy hiala amin'ny fahotana lehibe dia ny fitsipahana ny famindrampo atolony izany. Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin'ny fankatoavana ny fahamarinana. Akambany amin'ny fiambenana mailo ny asa amin-kafanam-po. Satria fantany fa eo am-baravarana ny Tompo, dia mihamatanjaka ny zotom-pony hiara-miasa amin'ny anjelin'ny lanitra eo amin'ny famonjena ny fanahy. Ireo no mpanompo mahatoky sy hendry izay manome ny ankohonan'ny Tompo ‘ny anjara hanina amin'ny fotoana'. Manambara ny fahamarinana izay azo ampiharina ankehitriny izy. Toa an'i Enoka, Noa, Abrahama sy Mosesy, izay samy nanambara ny fahamarinana tamin'ny androny avy, toy izany koa ny mpanompon'i Kristy ankehitriny mitondra fampitandremana manokana ho an'ny taranaka misy azy izy."- IFM, t. 681.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. Zavatra iray ny manolotra fanomezana hanohanana ny raharahan'Andriamanitra, ary zavatra iray hafa ny manome amim-pahafoizana. Inona no maha samy hafa izany, ary nahoana no zava-dehibe izany fahasamihafana izany?

2. Nahoana no tsy nosakanan'Andriamanitra ny fanenjehana ny vahoakany tao anatin'ny taonjato maro sy amin'izao fotoana izao? Ahoana no anampian'ny fifanandrinana lehibe antsika hahatakatra ny antony isian'ny fanenjehana?

3. Inona amin'ireo famantarana ny fiverenan'i Kristy no voamarikao manokana eto amin'izao tontolo izao ankehitriny?

4. Eritrereto ny amin'ny toetry ny maty sy ny filazana fa matory ny maty mandra-piverenan'i Kristy. Mikimpy ny mason'ny maty, ary inona no hitany raha vao misokatra indray izany? Ahoana no anampian'izany antsika hahita, ho an'ny tsirairay manokana, fa akaiky mandrakariva ny fiavian'i Kristy fanindroany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal