Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY :

Daty
Zoma 12 April 2024

"Tsy nisy vokany ny fiezahan'i Satana handrava ny fiangonan’i Kristy tamin'ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan'ny mpianatr'i Jesôsy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin'ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany. Niely hatrany ny filazantsara, ary nitombo ny isan'ireo mpanaraka izany. Tafiditra tao amin'ny toerana tsy azo nidirana izany, eny, na dia ny voromaherin'i Roma aza tsy tafiditra tany. Hoy ny kristiana iray, raha nanazava tamin'ny mpifehy jentilisa izay nampandroso ny fanenjehana: Azonareo atao ny mamono anay, ny mampijaly anay, ny manameloka anay. Ny tsy an-drariny ataonareo no porofo manambara fa tsy manan-tsiny izahay ary tsy manampy anareo ny fahasiahanareo. Vao mainka nitarika ny hafa bebe kokoa ho resy lahatra izany. Arakaraka ny hanaovanareo jinja fary anay, arakaraka izany no mampitombo isa anay; voa afafy ny ran'ny kristiana." – HM, t. 41 

"Ny fitondranAndriamanitra mahagaga izay mamela ny marina hiaritra fanenjehana ataon'ny ratsy fanahy dia nahavery hevitra olona maro malemy finoana. Misy aza vonona ny hanary ny fitokiany amin'Andriamanitra satria tsy ekeny ny hanambinana ny olona ratsy indrindra, nefa tra-pahoriana sy mijaly kosa ny olona tsara indrindra sy madio indrindra noho ny halozana sy ny herin'ireo ratsy ireo. Ahoana, hoy ny fanontaniana, no aneken'llay marina sy mamindra fo sady manan-kery tsy voafetra, tsy fahamarinana sy fampijaliana toy izany? Fanontaniana tsy tokony hanahiran-tsaina antsika mihitsy izany. Nanome antsika porofo mazava sy ampy momba ny fitiavany Andriamanitra. Ary tsy tokony hisalasala ny amin'ny fahatsarany isika, satria tsy fantatsika ny lalana itondrany antsika". – HM, t. 47, np. 

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Inona ny tombambidin'ny fanenjehana? Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no mamela ny olony hijaly indraindray?
2 Inona no havalinao raha manontany anao ny namana iray manao hoe: "Aiza Andriamanitra amin'izao fahoriako izao? Raha tia ahy lzy, nahoana no mandalo fotoan-tsarotra toy izao aho?"
3. Ahoana no hahatonga ny fiangonana misy anao ho fiarahamonina miahy ny hafa ka hisy fiantraikany eto amin'izao tontolo izao? Mifanakaloza hevitra ny amin'ny fomba tsotra azo ampiharana ny lesontsika tamin'ity herinandro ity. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal