Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 31 May 2024

"Noho ny tsy nahazoany niantehitra tamin'ny fanambaran'ny Soratra Masina, dia maro no nikiribiby nanantitrantitra hoe: Nahoana ny olona ambony ao amintsika no tsy mahalala ny momba io Sabata io? An-kavitsiana no mba mino tahaka anareo. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe ny anareo no marina fa diso avokoa ireo olona manampahaizana eo amin'izao tontolo izao,' hadinony anefa fa fomba fisaina toy izany indrindra no efa nenti-namely an'i Kristy sy ny apôstôliny.

Mba hanoherana ny fonjan-kevitra toy izany dia ampy ny nilaza ny fampianaran'ny Soratra Masina sy ny tantaran'ny fifandraisan'ny Tompo tamin'ny vahoakany nandritra ny taona nifandimby."

Nitandrina ny Alahady anefa ireo Kristiana tamin'ny taranaka lasa, ary nihevitra izy tamin'ny fanaovany an'izany, fa nitandrina ny Sabatan'ny Baiboly; ary ankehitriny dia misy kristiana marina ao amin'ny fiangonana tsirairay, ary tsy avahana amin'izany ny Katolika Rômana, amin'ny ankapobeny izay mino marina amin'ny fony tokoa fa ny Alahady no Sabata notendren'Andriamanitra. Eken'Andriamanitra ny fahatsoram-pony eo amin'ny fikasany sy ny hitsim-pony eo anatrehany. Nefa kosa rehefa hamafisin'ny lalana ny fitandremana ny Alahady ka handray fahazavana izao tontolo izao mikasika ny tsy maintsy hitandremana ny Sabata marina, amin'izay, na iza na iza handika ny baikon'Andriamanitra, mba hankato fitsipika izay tsy avy amin'ny fahefana ambony kokoa noho ny an'i Rôma, dia hanome voninahitra ny papa ambonin'Andriamanitra. Miondrika eo anoloan'i Rôma sy ny fahefana izay manamafy ny zavatra naorin'i Rôma izy. Miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny izy. Amin'izay raha misy olona mitsipaka izay natsangan'Andriamanitra ka nolazainy fa famantarana ny fahefany, ary manaja ho solon'izany izay nofidin'i Rôma ho porofon'ny fahefany faratampony dia hanaiky ny famantarana ny fiandaniany amin'i Rôma izy, ny mariky ny bibi-dia' izany. Ary raha tsy voaseho mazava toy izany eo amin'ny vahoaka izay ho vokany, ka entina hisafidy izy na ny didin'Andriamanitra na ny didin'ny olombelona, dia handray `ny mariky ny bibi-dia' ireo izay mikiry handika ny didin'Andriamanitra." HM, ft. 469, 463.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra :
1. Miova haingana sy amin'ny fomba manaitra tokoa izao tontolo izao. Ahoana no tokony hitandremantsika mandrakariva mba tsy ho tampoka ka tsy hahavonona antsika ireo toe-javatry ny andro farany?

2. Mifandraika amin'ny famonjena antsika amin'ny alalan'ny fahasoavana irery ihany ny fahatakarana momba ny fitsarana sy ny lalan'Andriamanitra, amin'ny fomba ahoana?

3. Ahoana no ahazoantsika mijoro ho vavolombelona amin'ireo izay tsy mahatakatra ny hevitry ny Sabata tena izy ka mitandrina an-kitsim-po ny Alahady izay andro voalohany amin'ny herinandro?

4. lnona avy ireo loza mifandraika amin'ny fikambanan'ny fahefan'ny fiangonana sy ny fanjakana? Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny fitondram-panjakana amin'ny maha-Kristianina antsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal