Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 28 June 2024

Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr’Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin'ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron'ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan' Andriamanitra, izay efa eto no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy" (...)

Any amin'ny tany vaovao, dia hibanjina ny hery mahagaga nahariana izao rehetra izao sy ny zava-miafin'ilay fitiavana manavotra ny voavonjy. Any tsy hisy fahavalo masiaka, mamitaka haka fanahy antsika hanadino an’Andriamanitra. Hivelatra ny fahaizana rehetra ary hitombo ny talenta rehetra. Tsy hanasatra ny saina na handany hery ny fitadiavam-pahalalana. Ho tanteraka any ny fikasana miezinezina indrindra, ho tratra ny zava-kendrena ambony indrindra, ho tanteraka ny faniriana ambony indrindra; ankoatra izany anefa dia mbola hisy ihany tendro vaovao hotratrarina; zava-mahagaga vaovao hahaliana, anton-javatra vaovao hampiasana ny herin'ny saina sy ny fanahy ary ny tena."- HM, tt. 702, 704.

"Tsy hay lazaina ny fahafinaretan'ny zanak'ity tany ity miditra eo amin'ny fifaliana sy ny fahendren'ireo mponina tsy lavo. Mizara ny harem-pahalalana sy ny haren-tsaina azony nandritra ny andro rehetra nifandimby teo am-pandinihana ny asantanan'Andriamanitra izy. Tsy misy manamaloka ny fijeriny eo am-pitazanana ny voninahitry ny famoronana — ny masoandro sy ny kintana ary ireo vondron-kintana, samy mandeha manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra araka ny sori-dalana voatendry hizorany avy, Ny zavatra rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia misy ny anaran'ny Mpamorona voasoratra eo aminy avokoa, ary izy rehetra dia samy maneho raki-tsarobidin'ny heriny avokoa."- HM, t. 705.

"Mifarana hatreo ilay ady lehibe. Tsy misy intsony ny fahotana sy ny mpanota. Voadio tanteraka ny tontolo rehetra. Miara-mitepo fifaliana sy firindrana ny voary manontolo. Avy amin'llay Mpamorona izao rehetra izao no mikoriana ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana manerana ny fanjakana eny amin'ny habakabaka tsy misy fetra. Hatramin’ny ‘atoma' kitika indrindra ka hatramin'izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan'aina na ny tsy manan'aina dia samy manambara amin'ny alalan'ny hankatony sy ny fifaliany safononoka fa Andriamanitra dia fitiavana."- HM, t. 706. LP

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra 
1. Araka ny hevitrao, nahoana no navelan'Andriamanitra ho lasa lavitra tahaka izany ny fahotana? Etsy andanin'izany, tsy misy olombelona eto an-tany miari-pahoriana mihoatra noho ny fahavelomany. Izany hoe, tsy mihoatra ny fotoana ahaveloman'ny olona ny fahoriany. Manao ahoana ny hafohin'ny fiainana raha mitaha amin'ireo taona arivo maro nisian'ny fahotana? Ahoana no hanampian'izany fomba fijery izany antsika hiatrika ny fanontaniana sarotra mikasika ny ratsy?

2. lnona no ifandraisan'ny vanim-potoana antsoina hoe arivo taona amin'ny drafi-pamonjena? Saino ny fanehoan'izany ny toetran'Andriamanitra izay tsy manao ny fitsarana farany sy hampihatra ny famaizana farany amin'ireo very mandra-pahitan’ny voavotra rehetra ny Fahamarinany sy ny Fandalany ny rariny ary ny Fitiavany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal