Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

GETSEMANE

Daty
Talata 10 September 2024

Vakio ny Mar. 14:32-42. Inona ny antom-bavak'i Jesôsy tao Getsemane, ary ahoana no namaliana izany vavaka izany?

Rehefa nandao ilay tanana mimandan'i Jerosalema nihinanan’izy ireo ny Paska i Jesôsy sy ny mpianany dia nandalo ny lohasahan'i Kidrona ho eo amin'ny saha anankiray teo amin'ny tehezan'ny tendrombohitra Oliva. Midika hoe: "famiazana menaka" ilay anarana hoe Getsemane; izany hoe, mety ho nisy toeram-pamiazana menaka oliva teo amin'ny manodidina teo. Tsy fantatra ny toerana tena nisy izany satria tamin'ny fotoana nanafihan'ny Rômanina azy, tamin'ny taona 70, dia notapahiny avokoa ny hazo rehetra teo amin'ny tendrombohitra Oliva.

Rehefa niditra ilay saha i Jesôsy dia nasainy nipetraka niandry Azy ny mpianatra, fa niroso lavidavitra kosa lzy sy i Petera, Jakôba, ary i Jaona. Kanefa avy eo dia nasainy niandry Azy koa ireto farany, fa Izy kosa nandroso lavidavitra, nandeha irery. Toa manambara ireo elanelana ireo fa handao Azy tsikelikely ny mpianany ka ho irery tokoa lzy eo am-piatrehana ny fijaliany ho avy.

Nivavaka i Jesôsy mba hesorina Aminy ilay kapoaky ny fahoriana, raha sitrapon'Andriamanitra izany (Mar. 14:36). Nampiasa ilay teny arameanina hoe "Aba" lzy, izay nadikan'i Marka hoe "Ray". Tsy midika hoe "dada" araks ny 'anazavan'ny sasany azy io teny io. Ny teny fampiasan'ny ankizy rehefa miantso ny rainy dia ny hoe "ab" (Jereo ny Raymond E. Brown, The Death of the Messiah, Anchor Bible Reference Library [New York: Doubleday, 1994], b. 1, tt. 172, 173). Ny fampiasana ny teny hoe "Aba, Raiko" eto kosa dia maneho ny fisian'ny rohim-pihavanana akaiky, izay tsy azo hamaivanina.

Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra i Jesôsy na dia nivavaka mba han asorana Aminy ny kapoaky ny fahoriana aza (ampitahao amin'ny Vavaka nampianarin'ny Tompo ao amin'ny Mat. 6:10). Hita mazava amin'ny fizotr'ilay tantara manontolo fa novalian'Andriamanitra hoe "tsia" ny vavaka nataon'i Jesôsy. Tsy hanala ilay kapoaky ny fahoriana Andriamanitra satria amin'ny alalan'izany fanandramana izany no hahazoan'izao tontolo izao famonjena.

Mampahery tokoa ny fananana namana manohana ao anatin'ny ady sarotra. Milaza i Paoly ao amin'ny Fil. 4:13 fa mahay ny zavatra rehetra izy ao amin'llay mampahery azy. Kanefa hadinonlny maro ny ao amin'ny Fil. 4:14 manao hoe: "Kanefa nanao soa hianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy." Fanirian'i Jesôsy tao Getsemane izany. Intelo izy no nitady fampaherezana avy amin'ny mpianany, ary intelo izy ireo no resin-tory. Nony farany dia nofohazin'i Jesôsy izy ireo mba handroso hiaraka Aminy hiatrika ilay fotoan-tsarotra. Vonona lzy; fa izy ireo kosa tsy mba toy izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal