Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

GETSEMANE

Daty
Talata 10 September 2024

Vakio ny Mar. 14:32-42. Inona ny antom-bavak'i Jesôsy tao Getsemane, ary ahoana no namaliana izany vavaka izany?

Rehefa nandao ilay tanana mimandan'i Jerosalema nihinanan’izy ireo ny Paska i Jesôsy sy ny mpianany dia nandalo ny lohasahan'i Kidrona ho eo amin'ny saha anankiray teo amin'ny tehezan'ny tendrombohitra Oliva. Midika hoe: "famiazana menaka" ilay anarana hoe Getsemane; izany hoe, mety ho nisy toeram-pamiazana menaka oliva teo amin'ny manodidina teo. Tsy fantatra ny toerana tena nisy izany satria tamin'ny fotoana nanafihan'ny Rômanina azy, tamin'ny taona 70, dia notapahiny avokoa ny hazo rehetra teo amin'ny tendrombohitra Oliva.

Rehefa niditra ilay saha i Jesôsy dia nasainy nipetraka niandry Azy ny mpianatra, fa niroso lavidavitra kosa lzy sy i Petera, Jakôba, ary i Jaona. Kanefa avy eo dia nasainy niandry Azy koa ireto farany, fa Izy kosa nandroso lavidavitra, nandeha irery. Toa manambara ireo elanelana ireo fa handao Azy tsikelikely ny mpianany ka ho irery tokoa lzy eo am-piatrehana ny fijaliany ho avy.

Nivavaka i Jesôsy mba hesorina Aminy ilay kapoaky ny fahoriana, raha sitrapon'Andriamanitra izany (Mar. 14:36). Nampiasa ilay teny arameanina hoe "Aba" lzy, izay nadikan'i Marka hoe "Ray". Tsy midika hoe "dada" araks ny 'anazavan'ny sasany azy io teny io. Ny teny fampiasan'ny ankizy rehefa miantso ny rainy dia ny hoe "ab" (Jereo ny Raymond E. Brown, The Death of the Messiah, Anchor Bible Reference Library [New York: Doubleday, 1994], b. 1, tt. 172, 173). Ny fampiasana ny teny hoe "Aba, Raiko" eto kosa dia maneho ny fisian'ny rohim-pihavanana akaiky, izay tsy azo hamaivanina.

Nilefitra tamin'ny sitrapon'Andriamanitra i Jesôsy na dia nivavaka mba han asorana Aminy ny kapoaky ny fahoriana aza (ampitahao amin'ny Vavaka nampianarin'ny Tompo ao amin'ny Mat. 6:10). Hita mazava amin'ny fizotr'ilay tantara manontolo fa novalian'Andriamanitra hoe "tsia" ny vavaka nataon'i Jesôsy. Tsy hanala ilay kapoaky ny fahoriana Andriamanitra satria amin'ny alalan'izany fanandramana izany no hahazoan'izao tontolo izao famonjena.

Mampahery tokoa ny fananana namana manohana ao anatin'ny ady sarotra. Milaza i Paoly ao amin'ny Fil. 4:13 fa mahay ny zavatra rehetra izy ao amin'llay mampahery azy. Kanefa hadinonlny maro ny ao amin'ny Fil. 4:14 manao hoe: "Kanefa nanao soa hianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy." Fanirian'i Jesôsy tao Getsemane izany. Intelo izy no nitady fampaherezana avy amin'ny mpianany, ary intelo izy ireo no resin-tory. Nony farany dia nofohazin'i Jesôsy izy ireo mba handroso hiaraka Aminy hiatrika ilay fotoan-tsarotra. Vonona lzy; fa izy ireo kosa tsy mba toy izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal