Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HAZAVAIN'NY FANAHY

Daty
Talata 30 April 2024

Indray andro raha nianatra tao amin'ny trano famakiam-bokin'ny oniversite i Martin Luther dia tonga teo amin'ny kihon-dalan'ny fiainany. Nahita dika mitovin'ny Baiboly amin'ny teny latina izy. Tsy azony an-tsaina akory ny fisian'ny boky toy io talohan'izao. Tamim-pahafinaretana no namakiany ny toko tsirairay, ny andininy tsirairay. Talanjona izy ny amin'ny fahazavana sy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra. Rehefa namaky ireo pejin'ilay boky izy dia nanazava ny sainy ny Fanahy Masina. Tsapany fa nitarika azy ny Fanahy Masina satria ireo fahamarinana nohamaizinin'ny fomban-drazana dia toa niseho mazava avy tao amin'ireo takilan'ny Soratra Masina. lzao no nosoratany raha nanondro ny fanandramana voalohany niainany niaraka tamin'ny Baiboly izy: "Raha mba omen'Andriamanitra boky toy izao ho ahy mantsy aho!"

 Inona avy ireo foto-kevitra azontsika raisina avy amin'ireto andininy manaraka ireto mikasika ny fomba tokony hahatakarantsika ny hevitry ny voalazan'ny Baiboly? Jao. 14:25,26  Jao. 16:13-15  2 Pet. 1:20,21

Ny tena manan-danja lehibe ao amin'ireo andininy ireo dia ny fanomezan-toky fa io Fanahy Masina izay nanindry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly io ihany no mitari-dalana antsika eo am-pamakiantsika ny Soratra Masina. Izy no mpanazava ny fahamarinan'Andriamanitra. Indrisy fa maro ireo mitonona ho Kristianina ankehitriny no manamaivana ny maha-avy amin'Andriamanitra ny Baiboly fa manasongadina kosa ny maha-olombelona ao anatiny. Tsy azon'i Satana atao intsony mantsy ny manakana antsika tsy hamaky Baiboly, koa ity indray no fomba manaraka mahomby indrindra ataony: esoriny ny toetra maha-avy amin'Andriamanitra ny Baiboly, ary ataony toy ny asa soratra tsara fotsiny izany, na ratsy noho izany, ataony fitaovana famoretana hifehezana ny vahoaka ara-pivavahana.

Hitan'ireo mpanavao fivavahana mazava fa ny Fanahy Masina — fa tsy ny pretra, na ny mpitari-pivavahana, na ny papa — no mpanazava tsy mety diso ny Soratra Masina. Nisy fifanakalozan-kevitra mahaliana teo amin'i John Knox, ilay mpanavao fivavahana Ekôsey sy i Mary mpanjakavavin'i Ecosse voarakitra an-tsoratra. "Hoy i Maria: Ianao mandray ny Soratra Masina amin'ny fomba iray, ary ny mpampianatra katolika Romana mandray azy amin'ny fomba hafa; koa iza no hinoako, ary iza no hitsara izany? 'Aoka hino an'Andriamanitra Izay miteny amin'ny fomba mazava ao amin'ny teniny ianao, hoy ny navalin'ny Mpanavao fivavahana; `amin'izay tafahoatra noho ny tenin’Andriamanitra dia aoka ianao tsy hino na ny andaniny na ny ankilany. Mazava ho azy ny tenin’Andriamanitra; ary raha misy maizimaizina amin'ny toerana iray, dia ny Fanahy Masina, Izay tsy manohitra ny tenany na oviana na oviana, no manazava izany bebe kokoa amin'ny toeran-kafa, hany ka tsy mety hisy fisalasalana ho tafatoetra afa-tsy amin'izay mikiribiby hijanona eo amin'ny tsy fahalalany.'" - David Laing, The Collected Works of John Knox, boky 2. pp. 281, 284. — HM, t. 259. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal