Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HAZO IRAY VOAOZONA SY TEMPOLY NODIOVINA

Daty
Alatsinainy 26 August 2024

Vakio ny Mar. 11:12-26. Inona no hevitr'ireo toe-javatra tantaraina eto?

Noana i Jesôsy ny maraina, raha avy any Betania, 3km mahery miala an'i Jerosalema. Nahita aviavy iray nandravina Izy ka nankeo aminy mba hizaha ny voany. Tsy heverina ho fangalarana izany fihetsika izany satria araka ny lalàn'ny Testamenta Taloha dia azon'ny olona iray atao ny mihinana ny hanina eo amin'ny sahan'ny namany na koa ny hazo fihinam-boa mba hampitony ny hanoanany (Lev. 19:9; Lev. 23:22; Deo. 23:25). Tsy nahita voa teo anefa Izy ka niteny tamin'ilay hazo hoe: "Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizaY' - Mar. 11:14. Fihetsika mahagaga no sady tsy fanaon'i Jesôsy izany, kanefa manaitra kokoa aza ny zava-niseho taorian'izany.

Tao amin'ny Kianjan'ny Jentilisa no niseho ny toe-javatra manaraka izany, toerana fivarotana ireo biby hatao fanatitra (izay vao natombok'i Kaiafa tsy ela akory). Noroahin'i Jesôsy ireo mpivarotra rehetra tao an-kianja mba hiverenan'ny fanompoam-pivavahana amin'ny filaminana sy ny fahanginana. Namely mivantana ireo tompon'andraikitra tao amin'ny rafi-pandaminan'ny tempoly izany fihetsiny izany.

Nampifandray andalan-teny roa ao amin'ny Testamenta Taloha i Jesôsy mba ho fitenenana mafy ilay fifanakalozam-barotra tsy masina. Notsindriany ny maha-trano fivavahana ho an'ny olona rehetra ny tempoly (Isa. 56:7), anisan'izany ny Jentilisa. Rehefa izay dia nambarany fa ataon'ireo mpitarika ho zohy fieren'ny jiolahy ny tempoly (Jer. 7:11). Tamin'ny fiafaran'io tontolo andro nahagaga io dia nandao ny tanàna niaraka tamin'ireo mpianany I Jesôsy (Mar. 11:19).

Ny ampitso marainan'io, akory ny hagagan'ireo mpianatra rehefa niverina tao an-tanàna ka nahita ilay aviavy nalazo hatramin'ny fakany. Nanome lesona mikasika ny vavaka sy ny famelan-keloka i Jesôsy raha nanazava izay nitranga. Inona moa no hevitr'izany rehetra izany?

Ireo tantara roa ireo no "Sandwich story" (tantara mifanosona) fahefatra ao amin'ny filazantsaran'i Marka (jereo ny lesona 3). Ao anatin'ireny karazan-tantara ireny, dia misy toe-javatra toa mifanipaka sy mpandray anjara mitovy izay manao asa mifanohitra na koa mpandray anjara mifanohitra izay manao asa mitovy. Ny aviavy sy ny tempoly no ampilaharina ao amin'ity tantara ity. Nanozona ilay hazo i Jesôsy kanefa nanadio ny tempoly, asa izay ahitana fifanoherana izany. Ny toe-javatra toa mifanipaka indray dia ny fikotrehan'ireo mpitondra fivavahana tetika hamonoana an'i Jesôsy, kanefa izany indrindra no hamarana ny lanjan'ny fanompoam-pivavahana fanao ao amin'ny tempoly, izay tanteraka ao amin'i Jesôsy.

Inona ao amin'ny fiainanao no tianao hodiovin'i Jesôsy? Ahoana no isehoan'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal