Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY BIBIDIA NIAKATRA AVY AMIN’NY TANY

Daty
Alakamisy 13 June 2024

Vakio ny Apôk . 13:11-18. Inona ny maha-samy hafa io bibidia faharoa io amin'ilay bibidia voalohany ao amin'ny Apôk . 13?

Nivoaka avy amin'ny ranomasina ilay bibidia voalohany; ilay bibidia faharoa kosa "niakatra avy tamin'ny tany "- Apôk. 13:11. Ny ranomasina dia maneho "olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary samy hafa fiteny' - Apôk. 17:15. Noho izany, ny tany dia maneho faritra tsy dia misy olona eto an-tany. Manodidina ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-paminaniana nandritra ny fotoana nananan'ilay bibidia voalohany fahefana no nipoiran'ilay bibidia faharoa (Apôk . 13:5).Izany hoe, nanodidina ny taona 1798 no nisandratany.

Mifandraika tsara amin'izany fanoritsoritana izany i Etazonia. Nanambara ny fahaleovan-tenany izy tamin'ny taona 1776, nanangana ny lalàm-panorenany tamin'ny taona 1789 ary nekena ho firenena matanjaka indrindra eran-tany tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-19.

Tohizan'i Jaona izany hoe: "ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona"- Apôk . 13:11. Ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly, ny tandroka dia tandindon'ny fahefana. Tsy tahaka ilay bibidia voalohany ity anankiray ity, dia tsy manana satroboninahitra eo amin'ireo tandrony, milaza izany fa tsy mpanjaka izy. Maneho ireo fitsipika fototra roa niandohan'ny fahefan'i Etazonia sy ny fahombiazany ireo tandroka roa: ny fahafahana ara-politika sy ny fahafahana ara-pivavahana.

Vakio ny Apôk. 13:11,12. Inona ny fiovana hitanao amin'io bibidia io ary manao ahoana no fiteniny?

Miteny toy ny dragona io firenena malemy fanahy toy ny zanak'ondry io amin'ny farany. Mampiasa "ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany' izy (Apôk . 13:12), ary miala amin'ny fitsipiny momba ny fahafahana ara-pivavahana, ka "ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany"- Apôk. 13:12. I Etazonia no voalohany hitaky ny mponina amin'ny tany rehetra hiankohoka amin'ilay bibidia voalohany ka hanaiky ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ananan'ny papa. Araka io faminaniana io, i Etazonia no manangana ny sarin'ny bibidia – fiombonan'ny Eglizy sy ny Fanjakana ary hotakiny ny hiankohofan'ny rehetra amin'io sary io.

Ny mahavariana dia mbola lavitra ny fananany hery ara-tafika sy ara-ekônômika izay misy azy ankehitriny I Etazonia tamin'ny vanim-potoana nanondroana azy voalohany indrindra ho fahefan'io bibidia io.

Saino ny amin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-polifika any Amerika amin'izao fotoana izao. Ahoana no mety hitarihan'izany ho amin'ny fahatanterahan'io faminaniana io indray andro any? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal