Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FARANTSAKELY ROA NATAO FANATITRA

Daty
Alahady 01 September 2024

Vakio ny Mar. 12:41-44. Ohatrinona no natolotr'ilay mpitondratena ho fanatitra, ary inona no nambaran'i Jesôsy momba izany?

Nahatalanjona ny hatsaran-tarehin'ny tempolin'i Jerosalema. Nisongadina teo amin'ny tanàna ny tendrombohitra nisy ny tempoly, ary nampitolagaga mandraka ankehitriny ireo vato lehibe tao amin'ny rafitry ny tempoly; nilanja an-jato taonina ny sasany tamin'izany. Teo ambany fanapahan'i Hérode le Grand (tany amin'ny taona 20 TIK tany ho any) no nanovana ny endriky ny tempoly sy nanitarana ny tempoly sy ny tendrombohitra misy azy, kanefa nitohy hatrany amin'ny taona 60 TrK ny fanorenana sy ny fanatsarana ny rafi-trano.

Nitondra fanatitra marobe ny olona maro ary nanatitra izany tao anatin'ny fandatsahan-drakitra niisa 13 tao amin'ny "kianja afovoany" (kianja izay azon'ny vehivavy nidirana) izay teo akaikin'ny tempoly. Teo no nipetrahan'i Jesôsy raha nahita mpitondratena iray nanatona sy nandrotsaka lepta roa lzy. Nitovy tombambidy tamin'ny 1/32 amin'ny denarius iray izany, ny denarius izay vola fanome ho karaman'ny mpiasa iray mandritra ny andro iray. Kely dia kely tokoa, araka izany, ny fanatitra nentin'ilay vehivavy.

Nanaitra an'i Jesôsy anefa ny fanatitra narotsak'io vehivavy io. Maro tamin'ireo mpanan-karena no nandrotsaka vola be tao anaty fandatsahan-drakitra saingy tsy nanambara na inona na inona mikasika ny fanomezan'izy ireny i Jesôsy tamin'ny fotoana nanaterany izany. Noderainy kosa anefa ny fanatitra nataon'ity mpitondratena ity, ary nambarany fa nanome betsaka noho ny clona hafa rehetra teo izy. Ahoana no mampitombina izany? Nambaran'i Jesôsy fa tamin'ny haben'ny fananan'ireo olona ireo no nanolorany ny fanatitra fa ity vehivavy ity kosa nanolotra fanatitra tamin'ny alahelony. Mbola betsaka ny ambin'ny haren'ireo fa ny an'ity vehivavy ity, natolony izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra. Izany no mahatonga ny fanatitra natolony ho betsaka, na dia maivana aza ny sandan'ny vola natolony.

Misy lesona mafonja mikasika ny fomba fitantanana ny fananana ao anatin'ity tantara ity. Tsy miankina amin'ny zavatra ataon'ireo mpitarika ny fankasitrahan'Andriamanitra ny fanomezana atolotra hanohanana nyAsany. Ratsy fitondran-tena ireo mpitondra fivavahana tao amin'ny tempoly kanefa tsy nilaza i Jesôsy fa tsy tokony hanao fanatitra ny olona noho izany. Raha nisy ny mpitondra fivavahana ratsy fanahy (Kaiafa angamba na Anasy?), dia ireo tamin'izany andro izany no anisan'ny ratsy indrindra. Ary fantatr'i Jesôsy izany.

Marina tokoa fa manana andraikitra masina mba hampiasa ireo vola araka ny sitrapon'Andriamanitra ny mpitarika, kanefa na dia tsy manao izany aza izy ireo, ny olona izay manolotra vola hanohanana ny raharahan'Andriamanitra dia mbola hotahina ihany, tahaka ity vehivavy ity. Etsy andanin'izany, ny tsy famerenana ny ampahafolony na ny fanatitra, vokatry ny fanaovan'ny mpitarika zavatra tsy mety, dia midika fa mifamatotra amin'ny asan'izy ireo ny fanomezantsika fa tsy atolotra ho fankasitrahana an'Andriamanitra tsy akory. Mety halaim-panahy hanao izany isika kanefa fahadisoana izany.

Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin’io tantara io momba ny lanjan'ny fahatokiana eo amin'izay omentsika hanohanana ny asan'ny Tompo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal