Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FIARAHA-MISAKAFO HARIVA FARANY

Daty
Alatsinainy 09 September 2024

Vakio ny Mar. 14:22-31 sy ny Eks. 24:8. Inona no maha-zava-dehibe ny tantara voalaza eto ho an'ny finoana kristianina?

Voalaza ao amin'ny Mar. 14:12 fa andro voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izay, izay famonoana ny zanak'ondrin'ny Paska. Ny harivan'ny Alakamisy io fiaraha-misakafo io.

Nandritra ity fiaraha-misakafo hariva farany ity dia nametraka fanompoam-pivavahana vaovao mba hotsarovana i Jesôsy. Niainga avy tamin'ny fankalazana ny Paska jiosy izany ary mifandray mivantana amin'ny nandaozan'ny Isiraely an'i Egipta sy ny nahatongavan'izy ireo ho vahoakan'ny fanekena tao Sinay. Raha nanorina ny fanekena i Mosesy ao amin'ny Eks. 24:8, dia natopiny tamin'ny vahoaka ny ran'ny fanatitra ka hoy izy: "Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany"

Manaitra ny tsy nampiasana ny zanak'ondrin'ny Paska nandritra ilay fiaraha-misakafo. Ny antony dia satria i Jesôsy no Zanak'ondrin'Andriamanitra (ampitahao amin'ny Jao. 1:29). Maneho ny tenan'i Kristy ny moto. Naorina tamin'ny alalan'ny rani Jesôsy ny Fanekena Vaovao (ampitahao amin'ny Jer. 31:31-34), izay asehon'ny kapoaka. Hoy Izy: "Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro."— Mar. 14:24.

Ary tao anatin'izany rehetra izany dia naminany i Jesôsy fa handao Azy avokoa ny mpianany. Ny tao amin'ny Zak. 13:7 no nolazainy, izay manambara sabatra hamely ny mpiandry ka hampihahaka ny ondry. I Jesôsy no Mpiandry, ary ny mpianatra no ondry. Hafatra mazava sy mampalahelo izany, kanefa nampian'i Jesôsy teny mitondra fanantenana tamin'ny namerenany indray fa hitsangana amin'ny maty Izy. Avy eo dia nambarany fa hialoha ny mpianatra ho any Galilia Izy. Namerina izany teny izany ilay zatovo tao amin'ny fasan'i Jesôsy, ao amin'ny Mar. 16:7, koa manan-danja manokana izany teny izany eto.

Sarotra loatra ho an'ny mpianatra anefa ny hanaiky izany rehetra izany, indrindra ho an'i Petera izay nilaza hoe: "na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina."— Mar. 14:29. Kanefa tsy nisomonga Jesôsy nanohy ny teniny, ary nambarany mialoha fa handà Azy intelo i Petera mialoha ny hanenoan'ny akoho fanindroany. Manan-danja lehibe io faminaniana io eto, izay tanteraka tokoa nandritra ny fotoana nitsarana an'i Jesôsy.

Efa nanome toky an'Andriamanitra ve ianao fa hanao na tsy hanao zavatra iray, kanefa tsy nataonao na nataonao ihany ilay izy? Inona ny lesona tokony horaisinao avy amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal