Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VOKATRA MANDOZA ATERAKY NY FILALAOVANA ANGATRA

Daty
Alahady 02 June 2024

Ny angano izay milaza fa ny fahafatesana dia tsy inona fa fidirana amin'ny dingam-piainana vaovao dia miorina amin'ny foto-kevitry ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Vetivety no nidiran'io hevitra jentilisa io tao amin'ny fiangonana izay nihataka tamin'ireo fototra ara-Baiboly mba hiezaka hahatonga ny finoany ho takatry ny tontolo Rômanina mivelatra: "Ny laha-kevitra momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy dia anisan'ireo fampianaran-diso izay nindramin'i Roma tamin'ny fanompoan-tsampy ka nampidiriny tamin'ny fivavahana Kristiana."— HM, t. 572.

"Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo." - Mat. 10:28. Inona no azon'io andininy tokana io lazaina antsika momba izay heverina ho  tsy fahafatesan’ny fanahy?

Nandrara ny olony tsy hiditra amin'izay mety ho fiantsoana fanahy ny Tompo, na inona na inona endrik'izany. Tsy azon'izy ireo ekena ny fisian'ny "manao ho masimbava, na mpanadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin'ny maty' eo amin'izy ireo (Deo. 18:11). Tsy maintsy toraham-bato ho faty ireo olona ireo (Lev. 20:27). Toa mafy ny fahitana izany fanasaziana izany saingy natao hiarovana ny Isiraely amin'ny fiankohofana amin'ny andriamani-tsy izy izany.

Asan'ny demonia ny filalaovana ody. Mamitaka ny olona ho amin'ny fanompoam-pivavahana sandoka izany ary manova ny fifandraisana marina amin'Andriamanitra, kanefa tsy hahafa-po na oviana na oviana ny filan'ny fo lalina indrindra. Ny filalaovana angatra no ivon'ny drafitr'i Satana hambaboana an'izao tontolo izao. Saingy amin'ny fahasoavan'i Jesôsy sy ny heriny no anafahany ireo izay babon'ny fatoran'ny ratsy mamehy azy.

Vakio ny Mpitt. 9:5; Joba 7:7-9; sy ny Isa. 8:19, 20. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fahafatesana sy ny filalaovana angatra?

Ny finoany fa ny maty dia mankany an-danitra avy hatrany amin'ny fotoana hahafatesany, na dia tsy araka ny Baiboly aza, tahaka ny fitandremana ny Alahady ihany, dia efa nisy hatry ny ela ary lalim-paka ka sarotra amin'ny olona tokoa ny hiala amin'izany. Mampiasa andininy vitsivitsy ny olona, izay mivoaka amin'ny tontolon-kevitra misy azy, mba hiezahana hanamarinana ny finoany. Kanefa ireo fampianaran-diso ireo dia tsy miaro azy amin'ny famitahana mety hataon'i Satana aminy, indrindra amin'ny fotoan-tsarotra farany.

Inona ny fanandramana niainanao momba ny fiezahana hanazava ny toetry ny maty tamin'ny Kristianina hafa? Inona, raha misy, no hitanao fa nandaitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal