Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IZA NO LEHIBE INDRINDRA?

Daty
Alarobia 14 August 2024

Vakio ny Mar. 9:30-41. Inona no mampiavaka ny filazan'i Jesôsy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray (ampitahao amin'ny Mar. 8:31)? Ary momba ny inona no niadian'ny mpianatra hevitra? Inona no nampianarin'i Jesôsy azy ireo?

Tamin'ny nilazan'i Jesôsy voalohany ny amin'ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin'ny maty dia niresaka momba ireo izay handà sy hamono Azy Izy. Ny filazana fanindroany nataony kosa dia mikasika ny fomba hamadihana Azy. Tsy notondroina izay hamadika Azy tamin'io fotoana io, saingy ny mpamaky dia efa mahalala izany satria voaresaka ao amin'ny Mar. 3:19 ny amin'i Jodasy. Naverin'i Jesôsy indray fa hovonoina Izy ary avy eo hitsangana rehefa afaka hateloana. Toa vao maika aza Iatsaka noho ny tamin'ny voalohany ny fahalianan'ny mpianatra ny amin'ireo tsipiriany momba io faminanian'i Jesôsy io. Ny vaovao tsy mahafaly rahateo tsy mba atao anton-dresaka.

Nankany avaratry ny Ranomasin'i Galilia i Jesôsy ao amin'ny Mar. 8:27, tany amin'ireo tanàna tany Kaisaria-Filipo. Namaky an'i Galilia kosa Izy ao amin'ny Mar. 9:30; ary ao amin'ny Mar. 9:33 dia tonga tao Kapernaomy Izy. Koa tsy sarotra ny maminavina ny diany avy any avaratra mankany atsimo. Niditra irery tao Kapernaomy izy, fa ny mpianatra kosa nitaredretra tany aoriany. Rehefa tonga tao an-trano i Jesôsy dia nanontany ny mpianany momba izay niadian'izy ireo hevitra teny an-dalana. Tsy nisy nahateny izy ireo; marika izany fa tsy nampahazo aina azy ireo ilay lohahevitra, tahaka ny ankizy kely tratra sy mahafantatra fa nanao hadalana. Ny amin'izay lehibe indrindra no niadian'izy ireo hevitra. Ao an-tsain'ny olona rehetra io lohahevitra io, na dia vitsy ihany aza no miaiky izany. Mifamadika tanteraka amin'izay heverin'ny olona anefa ny ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Novahan'i Jesôsy indroa miantoana izany olana izany. Voalohany, nambarany mazava fa raha misy te ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompon'izy rehetra izy. Avy eo dia naka ohatra velona i Jesôsy mba hanazavana izany. Mazava loatra fa nisy ankizy kely koa teo amin'ny manodidina teo nihaino an'i Jesôsy. Dia naka zaza iray i Jesôsy ho eo afovoan'izy ireo. lnoana fa natahotahotra ilay zaza noho izany, kanefa notrotroin'i Jesôsy izy mba hampitonena ny tahony. Dia nampianatra Izy fa izay rehetra mandray zaza dia mandray Azy, ary izay mandray Azy dia mandray ny Ray. Araka izany, na ny zaza madinika indrindra aza dia mifandray amin'Andriamanitra.

Nametraka fanontaniana momba ireo izay tsy anisan'ny vondron'ny mpianatra i Jaona, ary lesona manan-danja lehibe no nampianarin'i Jesôsy hoe: "Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika." — Mar. 9:40. Nohamafisininy Tompo fa izay manampy amin'ny asa fanompoana ataon'ny Kristianina, na dia amin'ny zavatra bitika aza, dia tsy mba ataon'ny lanitra tsinontsinona.

Inona ny fahalehibiazana araka ny Baiboly, izay mifanipaka amin'ny fahalehibeazana araka izao tontolo izao? Iza amin'ireo karazana fahalehibeazana ireo no katsahinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal