Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jehôvah no nanao antsika

Daty
Alahady 14 January 2024

Vakio ny Sal. 8 sy Sal. 100. Ahoana no anehoana an' Andriamanitra sy ny olona ao amin'ireo Salamo ireo? Inona no ambaran'ireo Salamo ireo mikasika ny toetran'Andriamanitra?

Mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny Salamo ny Famoronana, eo amin'ny fanambarana ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny lanitra, izay "asan'ny tànany" dia mitory ny voninahiny sy ny heriny (Sal. 19:1-4; Sal. 97:6). Manana voninahitra manerana ny tany rehetra ny anaran'Andriamanitra (Sal. 8:1,9). Jehovah no namorona ny zavatra rehetra; tsy manana fiandohana Izy (Sal. 93:2) ary tsy manam-piafarana (Sal. 102:25-27). Mandrakizay Izy ary ambonin'ny andriamanitry ny firenena rehetra izay "asan'ny tanan'olona" ihany (Sal. 115:4). Ny sampy dia "manan-tanana (...) fa tsy mandray" - Sal. 115:7; fa i Jehovah kosa dia "eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany (...) ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany." - Sal. 95:4,5.

Salamo marobe no maneho ny herin'Andriamanitra ambonin'ireo hery rehetra eo amin'ny zavaboary izay inoan'ny firenena hafa ho andriamanitra (ohatra amin'izany ny Sal. 29; 93; 104). Hamafisin'ireo Salamo ireo ny fanambarana fa Andriamanitra no manjaka amin'ny zavaboary rehetra, ary ambony indrindra amin'ny hery sy ny haja. Miresaka ny amin'ny endri-panompoan-tsampy iray izay tsy miharihary ny Sal. 100:3: ny fitokiana amin'ny tena; asongadiny amin'izany fa Jehovah no "nanao antsika, fa tsy ny tenantsika" (DIEM).

Mijoro ho vavolombelon'ny fitiavan'Andriamanitra koa ny Famoronana. Izy no nahary ny zavatra rehetra izay misy, ary izy koa no manome aina ireny (Sal. 95:7; Sal. 147:4-9). Mariho fa tsy nahary ny olona fotsiny Andriamanitra fa nataony "olony sy ondry fiandriny" ny Isiraely fahiny (Sal. 100:3). Maneho ny fanirian'Andriamanitra hanana fifandraisana ety amin'ny vahoakany ny hoe "olony" sy "ondry fiandriny".

Ny Mpamorona irery ihany no manana ny fahefana hitahy sy hampitombo ny vahoakany, ary amin'izany dia Izy irery ihany no mendrika ny hiankohofan'izy ireo sy hitokiany. Salamo marobe no miantso izay manam-pofonaina rehetra, ny tany manontolo, ny ranomasina ary ny zavatra rehetra ao aminy hanao hiakam- pifaliana eo anatrehan'i Jehovah.

Hita eo amin'ny zavatra nohariany ny voninahitr'Andriamanitra, na dia eo amin'ny zavaboary lavo eto an-tany aza; ary ny Salamo dia milaza amintsika fa Andriamanitra irery ihany no mendrika hiankohofana.

"Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?"- Sal. 8:4. Inona no asetrinao an'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona anao Azy? Raha tononin'Andriamanitra amin'ny anarany avy ny kintana (Sal. 147:4), manao ahoana moa ny haben'ny fiheverany anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal