Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.

Daty
Alatsinainy 30 June 2025

NY TONTOLON-KEVITRA ARA-TANTARA

Rehefa tonga tany Egypta ny fianakavian'i Jakoba noho ny mosary tany Kanana (Gen. 46), dia nandray tsara ny Hebreo ny mpanjakan'i Egypta noho izay rehetra nataon'i Josefa ho an'ny Egyptianina.

"Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tanan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy." - Gen. 41:41-43.

Inona no tsiambaratelo nahombiazan'i Josefa tany Egypta na dia nanomboka tamin'ny fotoan-tsarotra aza ny fiainany tao? (Vakio ny Gen. 37:26-28 sy ny 39:2,21.)

Araka ny tantara dia i Ahmose (1570-1546 TIK) no mpanjaka vaovao resahina ao amin'ny Eks. 1:8, ilay "tsy nahalala an'i Josefa". Nanaraka azy i Amenhotep I (1546-1526 TIK), izay natahotra ny Isiraelita ka nampahory azy ireo. Avy eo, i Thutmose I (1525-1512 TIK) no namoaka didy hamonoana ny zazalahy Hebreo rehetra. Ny zanany vavy Hatshepsut (1503-1482 TIK), no ilay andriambavy nanangana an'i Mosesy ho zanany. I Thutmose III (1504-1450 TIK), izay niara-nanjaka tamin'i Hatshepsut nandritra ny fotoana voafaritra, no Farao ao amin'ny Eksodosy.

Araka ny kajikajy manakaiky ny marina indrindra, dia tamin'ny Marsa 1450 TIK no nanafahana ny zanak'lsiraely tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina (Jereo ny "Exodus, Date of a the, The International Standard Bible Encyclopedia, nosoratan'i William H. Shea, novokarin'i Geoffrey W. Bromiley et al., b. 2 [Grand Rapids, MI: William B. Eerdmans, 1982], tt. 230-238). Mba hahatakarana ny fotoana nitrangan'izany fanafahana izany, dia vakio ireto andininy ireto: Gen. 15:13-16; Eks. 12:40,41; Mpits. 11:26; 1 Mpanj. 6:1 (jereo koa ny Asa. 7:6; Gal. 3:16,17).

Fotoana lava no tantaraina ao amin'ny toko voalohany amin'ny Eksodosy, dia nanomboka tamin'ny andron'i Josefa, rehefa niditra tao Egypta i Jakoba rainy sy ny fianakaviany manontolo, ka hatramin'ny didy famonoana navoakan'ny Farao. Na misy tsy fitovian-kevitra aza ny momba ny isan'ireo taona naharetan'izany marina, ny zava-dehibe dia ity: na andevo tany an-tany hafa aza ny vahoakan Andriamanitra, dia tsy nanadino azy ireo Izy.

Na maro aza ny tsipiriam-piainan'ny Hebreo tany Egypta tamin'izany andro izany. izay tsy mbola fantatsika (jereo ny 1 Kôr. 13:12), ny toetran'Andriamanitra kosa dia mamirapiratra hatrany ao amin'ity boky ity, tahaka ny ao amin'ny Soratra Masina manontolo. Mahazo matoky isika fa na manao ahoana na ahoana fahasarotan'ny toe-javatra, dia eo mandrakariva Andriamanitra, ary afaka mitoky Aminy isika na inona na inona zava-miseho.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal