Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.

Daty
Alatsinainy 30 June 2025

NY TONTOLON-KEVITRA ARA-TANTARA

Rehefa tonga tany Egypta ny fianakavian'i Jakoba noho ny mosary tany Kanana (Gen. 46), dia nandray tsara ny Hebreo ny mpanjakan'i Egypta noho izay rehetra nataon'i Josefa ho an'ny Egyptianina.

"Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tanan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy." - Gen. 41:41-43.

Inona no tsiambaratelo nahombiazan'i Josefa tany Egypta na dia nanomboka tamin'ny fotoan-tsarotra aza ny fiainany tao? (Vakio ny Gen. 37:26-28 sy ny 39:2,21.)

Araka ny tantara dia i Ahmose (1570-1546 TIK) no mpanjaka vaovao resahina ao amin'ny Eks. 1:8, ilay "tsy nahalala an'i Josefa". Nanaraka azy i Amenhotep I (1546-1526 TIK), izay natahotra ny Isiraelita ka nampahory azy ireo. Avy eo, i Thutmose I (1525-1512 TIK) no namoaka didy hamonoana ny zazalahy Hebreo rehetra. Ny zanany vavy Hatshepsut (1503-1482 TIK), no ilay andriambavy nanangana an'i Mosesy ho zanany. I Thutmose III (1504-1450 TIK), izay niara-nanjaka tamin'i Hatshepsut nandritra ny fotoana voafaritra, no Farao ao amin'ny Eksodosy.

Araka ny kajikajy manakaiky ny marina indrindra, dia tamin'ny Marsa 1450 TIK no nanafahana ny zanak'lsiraely tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina (Jereo ny "Exodus, Date of a the, The International Standard Bible Encyclopedia, nosoratan'i William H. Shea, novokarin'i Geoffrey W. Bromiley et al., b. 2 [Grand Rapids, MI: William B. Eerdmans, 1982], tt. 230-238). Mba hahatakarana ny fotoana nitrangan'izany fanafahana izany, dia vakio ireto andininy ireto: Gen. 15:13-16; Eks. 12:40,41; Mpits. 11:26; 1 Mpanj. 6:1 (jereo koa ny Asa. 7:6; Gal. 3:16,17).

Fotoana lava no tantaraina ao amin'ny toko voalohany amin'ny Eksodosy, dia nanomboka tamin'ny andron'i Josefa, rehefa niditra tao Egypta i Jakoba rainy sy ny fianakaviany manontolo, ka hatramin'ny didy famonoana navoakan'ny Farao. Na misy tsy fitovian-kevitra aza ny momba ny isan'ireo taona naharetan'izany marina, ny zava-dehibe dia ity: na andevo tany an-tany hafa aza ny vahoakan Andriamanitra, dia tsy nanadino azy ireo Izy.

Na maro aza ny tsipiriam-piainan'ny Hebreo tany Egypta tamin'izany andro izany. izay tsy mbola fantatsika (jereo ny 1 Kôr. 13:12), ny toetran'Andriamanitra kosa dia mamirapiratra hatrany ao amin'ity boky ity, tahaka ny ao amin'ny Soratra Masina manontolo. Mahazo matoky isika fa na manao ahoana na ahoana fahasarotan'ny toe-javatra, dia eo mandrakariva Andriamanitra, ary afaka mitoky Aminy isika na inona na inona zava-miseho.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal