Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.

Daty
Alakamisy 03 July 2025

MIOVA NY DRAFITRA

Vakio ny Eks. 2:11-25. Inona avy ireo tranga nifanesy faingana Izay nanova tanteraka ny drafi-piainan'i Mosesy? Inona avy ny lesona azontsika ianarana avy amin'lo tantara io?

Inona no hataon'i Mosesy? Hilefitra amin'ny fakam-panahin'i Egypta sy ny fahafinaretan'ny lapa ve izy, sa hiombom-pahoriana amin'ny vahoakany? Tsy ela dia nanery azy handray fanapahan-kevitra ny zava-nitranga.

"Rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ary nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy." - Eks. 2:15.

Tsy nanana safidy i Mosesy rehefa avy namono olona, raha mbola nijanona tao Egypta koa. Araka izany, na inona na inona drafitra natao ho azy hiakarany eo amin'ny seza fiandrianan'i Egypta sy ho tonga "andriamanitra", dia nofoanana faingana ireo drafitra ireo. Tsy ho tonga andriamanitra i Mosesy, ho fanampin'ireo andriamanitra sandoka, fa hanompo an'Andriamanitra marina kosa. Azo antoka fa tsy nahazo an-tsaina izay hoaviny i Mosesy tamin'ny fotoana nandosirany.

"Avy hatrany dia niely eran'ny tany izany zavatra izany (ny namonoan'i Mosesy ilay Egyptianina) ka tonga vetivety tany an-tsofin'i Farao, nefa nampitomboina be ihany. Naseho azy fa mety hiteraka fahavoazan-dehibe izao raharaha izao; mitady hitarika ireo rahalahiny hanohitra ny Egyptiana Mosesy; sy hanongana ny fitondram-panjakana ka hipetraka eo amin' amin'ny seza fiandrianana; raha atao indray milaza dia tsy hisy filaminana mihitsy eto amin'ny fanjakana raha mbola velona izy. Avy hatrany dia nomelohin'ny mpanjaka ho faty izy. Rehefa reny ny loza mananontanona azy, dia nandositra nankany amin'ny lalana any Arabia Mosesy." PM, ed. 1985, t. 245.

Niaina 120 taona i Mosesy (Deo. 34:7), ary azo zaraina ampahany telo, izay 40 taona avy, ny fiainany. Tany Egypta ny 40 taona voalohany, indrindra tao an-dapan'ny mpanjaka. Tany an-tranon'i Jetro tany amin'ny faritr'i Midiana no nandaniany ny 40 taona faharoa.

Ny 40 taona farany kosa no nandrafetana ny ampahany lehibe amin'ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy (sy resahina amin'ity telovolana ity), izay mirakitra ny tantaran'ny niantsoana voalohany ny Isiraely ho vavolombelona eo anivon'ny tontolo feno fanompoan-tsampy, mba haneho ny toetra amam-panahin'llay Andriamanitra marina (jereo ny Deo. 4:6-8).

Tao anatin'ny drafitr'Andriamanitra ve ny namonoan'i Mosesy ilay Egyptianina? Raha tsia, inona no ambaran'ity tantara ity amintsika mikasika ny fomba ifehezan'Andriamanitra ny toe-javatra rehetra, na inona na inona, ka ampiasany izany ho fanatanterahana ny sitrapony? Ahoana no anampian'ny Rôm. 8:28 antsika hahatakatra izany fahamarinana manan-danja izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA -
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal