Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Mandinika ny teny.

Daty
Alarobia 02 April 2025

Nanampy betsaka ny Advantista ho amin'ny fahatakarana ny faminaniana ara-Baiboly i William Miller. Tsy takany tamin'ny fahafenoany ireo andalan-teny fototra (tahaka ny Dan. 8:14), nefa nanana ny lanjany ny fomba fandalinany satria nanamboatra ny lalana ho amin'ny fahaterahan'ny fihetsehana misy antsika izay sisa amin'ny andro farany.

Vakio ny Mat. 5:18; 2 Tim. 3:15-17 ary ny Lio. 24:27. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fomba tokony handinihantsika ny faminanian'ny Baiboly?

Amin'ny lafiny iray, dia azo ampitahaina amin'ny fanambarana piozila lehibe iray ny fandinihana ny Baiboly. Raha ampahana piozila roa na telo monja no atambatrao dia tsy azo heverina mihitsy ny hahalalanao ilay sary iray manontolo avy amin'izany. Mety hahita soavaly ianao eo amin'ireo ampahany roa na telo ireo ka hanatsoaka hevitra fa sarin-tsoavaly no atambatambatrao. Maneho sarin'akoho kely sy omby anefa ny ampahany hafa amin'izany piozila izany, ary rehefa nahatambatra sarisary an-jatony ianao dia hahita amin'ny farany fa sarin-javaboary ilay sary manontolo, izay ahitana tanana sy toeram-piompiana ary tangoron-tendrombohitra eny lavitra eny.

Anisan'ny fahadisoana fototra mpahazo ny Kristianina sasany eo amin'ny fandalinany ny Baiboly ny fandraisany ny Soratra Masina ho toy ny amboaran'ohabolana na fomba fiteny izay azony ampiasainy manoloana ny toe-javatra iray manokana. Ny hafa indray dia mijery ny toromarika madinidinika momba ny fandalinana ny Baiboly ao amin'ny pejy voalohan'ny Baiboly vokarin'ny "Gideons International" izay ahitana toko sy andininy mifanentana amin'ny lohahevitra samihafa, ary amin'izany no iheveran'izy ireo fa izany no mampiseho ny fampianaran'ny Baiboly manontolo mahakasika ny lohahevitra anankiray.

Mampalahelo fa tahaka izany koa no ataon'izy ireo rehefa mandinika ny faminaniana; esoriny avy ao amin'ny tontolon-kevitra misy azy ny andinin-tSoratra Masina iray ary ampitahainy amin'ny toe-javatra mitranga fa tsy amin'ny Baiboly manontolo. Anisany mahatonga ny fisian'ny boky môderina marobe momba ny faminaniana izay mila havaozina isan-taona izany, noho izy ireny ahitana fahadisoana eo amin'izay nolazainy fa hitranga sy ny fotoana hitrangan'izany.

Izany no maha-zava-dehibe tokoa ny tsy fifidianana fotsiny toko sy andininy manokana momba ny lohahevitra iray fa ny fandalinana amim-pitandremana kosa ny zavatra rehetra ambaran'ny Baiboly mahakasika izany lohahevitra izany ary koa ny fandinihana ny tontolon-kevitra manodidina izany. Mora ny misintona andalan-teny hiala amin'ny tontolon-kevitra misy azy ka hamoaka hevitra araka izay tiantsika.

Inona ny fanandramana efa niainanao mahakasika ireo olona mampiasa toko sy andininy sasany nofantenana ka miezaka manazava ny heviny mahakasika ny toetry ny maty, ohatra, na koa ny Sabata? Inona no fomba tsara indrindra hamaliana azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal