Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - " Fianarana no nomeko anareo "

Daty
Alahady 01 December 2024

Ny hafatr'i Jesôsy farany (Jao. 13-17) dia nanome toromarika ny mpianany mikasika ny hoavy. Mitovy firafitra amin'ny hafatra farany nataon'i Mosesy ao amin’ny lDeoteronomia, na ilay tsodranon'i Jakoba ho an'ireo zanany (Gen. 47- 49), na ilay hafatrafatr'i Davida tamin'i Sôlômona (1 Tant. 28-29), ny nanoratana io hafatr'i Jesôsy farany io. Nampionona ny mpianany mahakasika ny tsy maintsy handehanany i Jesôsy. Nanome toky Izy fa haniraka ny Solon-tenany (ny Fanahy Masina; Jao. 14-16). Nambarany mialoha fa hisy ny fahoriana (Jao. 15-16), ary miantso ny mpianany Izy mba hitoetra ho mahatoky (Jao. 15).

Vakio ny Jao. 13:1-20. Inona no mitranga eto, ary nahoana no manan-danja lehibe io tantara io? Inona ny lesona tian'i Jesôsy hampianarina?

Tany amin'io faritra io, tamin'ny andron'i Jesôsy, dia nanao kapa ny olona na nandeha tsy nikiraro. Koa vetivety dia feno vovoka sy naloto ny tongotra. Fomban'ny mpanompo na ny andevo tamin'izany ny nanasa ny tongotr'ireo izay tonga mba hisakafo. Tamin'io alina mialoha ny hisamborana an'i Jesôsy io anefa, izay niarahany nisakafo farany tamin'ny mpianany, dia tsy nisy mpanompo hanao izany raharaha izany.

Gaga izy ireo fa i Jesôsy no nitsangana nanasa ny tongotr'izy rehetra. Tantaraina amin'ny tsipiriany ao amin'ny Jao. 13:4,5 ny fihetsik'i Jesôsy; nasongadina manokana mantsy Ilay mpampianatra nanao izany fihetsika tsy mampino feno fanetren-tena izany.

Ny valin-tenin'i Petera voasoratra ao amin'ny Jao. 13:8-11 dia mampiharihary ny fahadisoan-kevitry ny mpianatra sy ny tsy fahatakarany ny fihetsik'i Jesôsy. I Jesôsy, Izay Mpampianatra sy Mesia ve no manao asa ambany toy izao? Tsy namela an'i Jesôsy hanasa ny tongony i Petera, kanefa nilaza i Jesôsy fa raha tsy manaiky hosasana izy dia tsy hanana anjara Aminy. Dia nangataka mihoatra noho izany indray i Petera, naneho ny faniriany hifandray tsy tapaka amin'i Jesôsy.

Mifandray amin'ny maha-lzy Azy ny mahazava-dehibe ny fihetsika nasehon'i Jesôsy. Ambarany ao amin'ny Jao. 13:13 fa Izy no Tompo sy Mpampianatra. Izany no anarana niantsoan'izy ireo Azy, ary nohamafisin'i Jesôsy fa izany tokoa. Maneho fahefana sy hery izany anarana izany. Mampianatra anefa i Jesôsy fa natao hampiasaina ho amin'ny fanompoana io fahefana sy hery io, fa tsy hanandratan-tena tsy akory. Manaraka io ohatra maneho fanetren-tena navelan'i Jesôsy io ny fiangonana advantista, dia ny fifanasan-tongotra, ho fiomanana ho amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo.

Inona no ampianarin'ny fanompoam-pivavahan'ny fifanasan-tongotra anao momba ny fanarahana ny dian'i Jesôsy sy ny fanompoana ny hafa amim-panetren-tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal