Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - " Fianarana no nomeko anareo "

Daty
Alahady 01 December 2024

Ny hafatr'i Jesôsy farany (Jao. 13-17) dia nanome toromarika ny mpianany mikasika ny hoavy. Mitovy firafitra amin'ny hafatra farany nataon'i Mosesy ao amin’ny lDeoteronomia, na ilay tsodranon'i Jakoba ho an'ireo zanany (Gen. 47- 49), na ilay hafatrafatr'i Davida tamin'i Sôlômona (1 Tant. 28-29), ny nanoratana io hafatr'i Jesôsy farany io. Nampionona ny mpianany mahakasika ny tsy maintsy handehanany i Jesôsy. Nanome toky Izy fa haniraka ny Solon-tenany (ny Fanahy Masina; Jao. 14-16). Nambarany mialoha fa hisy ny fahoriana (Jao. 15-16), ary miantso ny mpianany Izy mba hitoetra ho mahatoky (Jao. 15).

Vakio ny Jao. 13:1-20. Inona no mitranga eto, ary nahoana no manan-danja lehibe io tantara io? Inona ny lesona tian'i Jesôsy hampianarina?

Tany amin'io faritra io, tamin'ny andron'i Jesôsy, dia nanao kapa ny olona na nandeha tsy nikiraro. Koa vetivety dia feno vovoka sy naloto ny tongotra. Fomban'ny mpanompo na ny andevo tamin'izany ny nanasa ny tongotr'ireo izay tonga mba hisakafo. Tamin'io alina mialoha ny hisamborana an'i Jesôsy io anefa, izay niarahany nisakafo farany tamin'ny mpianany, dia tsy nisy mpanompo hanao izany raharaha izany.

Gaga izy ireo fa i Jesôsy no nitsangana nanasa ny tongotr'izy rehetra. Tantaraina amin'ny tsipiriany ao amin'ny Jao. 13:4,5 ny fihetsik'i Jesôsy; nasongadina manokana mantsy Ilay mpampianatra nanao izany fihetsika tsy mampino feno fanetren-tena izany.

Ny valin-tenin'i Petera voasoratra ao amin'ny Jao. 13:8-11 dia mampiharihary ny fahadisoan-kevitry ny mpianatra sy ny tsy fahatakarany ny fihetsik'i Jesôsy. I Jesôsy, Izay Mpampianatra sy Mesia ve no manao asa ambany toy izao? Tsy namela an'i Jesôsy hanasa ny tongony i Petera, kanefa nilaza i Jesôsy fa raha tsy manaiky hosasana izy dia tsy hanana anjara Aminy. Dia nangataka mihoatra noho izany indray i Petera, naneho ny faniriany hifandray tsy tapaka amin'i Jesôsy.

Mifandray amin'ny maha-lzy Azy ny mahazava-dehibe ny fihetsika nasehon'i Jesôsy. Ambarany ao amin'ny Jao. 13:13 fa Izy no Tompo sy Mpampianatra. Izany no anarana niantsoan'izy ireo Azy, ary nohamafisin'i Jesôsy fa izany tokoa. Maneho fahefana sy hery izany anarana izany. Mampianatra anefa i Jesôsy fa natao hampiasaina ho amin'ny fanompoana io fahefana sy hery io, fa tsy hanandratan-tena tsy akory. Manaraka io ohatra maneho fanetren-tena navelan'i Jesôsy io ny fiangonana advantista, dia ny fifanasan-tongotra, ho fiomanana ho amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo.

Inona no ampianarin'ny fanompoam-pivavahan'ny fifanasan-tongotra anao momba ny fanarahana ny dian'i Jesôsy sy ny fanompoana ny hafa amim-panetren-tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal