Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - "Izaho no (...) fahamarinana"

Daty
Alarobia 04 December 2024

Vakio ny Jao. 1:14,17; Jao. 8:32; Jao. 14:6 sy ny Jao. 15:26. Ahoana no ampifandraisan'i Jaona mivantana ny fahamarinana amin'i Jesôsy ?

Manerana ny filazantsaran'i Jaona dia mifandray amin'i Jesôsy, amin'ny Rainy, ary amin'ny Fanahy Masina ny fahamarinana. Mifandray amin'i Jesôsy, llay Teny (logos), ny fahamarinana, ary koa amin'ny fahazavana izay mifanohitra amin'ny maizina (Jao. 1:1-14, Jao. 3:19-21). Ary ny lainga kosa dia mifandray amin'ny devoly sy ny fahotana (Jao. 8:44-46). Koa ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ny fahamarinana dia tsy resaka tranga ara-tantara na tarehimarika fotsiny. Ekena fa tafiditra ao anatiny izany. saingy ny famaritana ny fahamarinana dia misy lafiny ara-pitondran-tena, fahatokiana amin Andriamanitra sy ny sitrapony.

"Betsaka no mitomany mitady an'Andriamanitra velona, ary maniry indrindra ny fanatrehany. Ireo vinavinan-kevitra araka ny filozófia na ireo famoaboasana ao amin'ny haisoratra, na mamirapiratra toy inona aza dia tsy mampitony ny fo. Tsy misy vidiny ny fanantitranterana sy ny zavatra noforonin'ny olona. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no hiteny amin'ny vahoaka. Aoka ireo izay tsy nandre afa-tsy lovan-tsofina sy vinavinan-kevitr'olombelona ary teny zary ohabolana, handre ny feon'llay afaka manavao ny fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny teniny." - HF, t. 24.

Saino ny hoe: midika inona ho an'i Jesôsy  ny maha-Fahamarinana Azy? I Jesôsy no logos, Ilay Teny tao amin'Andriamanitra hatrany am-boalohany, Izay Mpahary izao zavatra àry rehetra izao (Jao. 1:1-4). Iray amin'Andriamanitra i Jesôsy, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, koa manana ny toetra mampiavaka ny Ray Izy, ary araka izany dia Izy koa no "IZAHO IZAY IZY". Tsy miankina na amin'iza na amin'iza ny fisiany. Tsy mety hisy na inona na inona, anisan'izany ny fahalalana, raha tsy eo Izy. Izay rehetra misy, izay rehetra nohariana, dia i Jesôsy no nahary azy, ary ao Aminy koa no ahaveloman'izy rehetra. "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra." - Kôl 1:16,17

Tsy maneho ny fahamarinana fotsiny i Jesôsy fa Izy mihitsy no fahamarinana. Tsy hevitra na tsangan-kevitra ny fahamarinana, fa Olona!

Toy ny masoandro manazava izao tontolo izao ny fahamarinana, dia i Jesôsy Kristy (Jao. 8:12). Miombon-kevitra amin'izany i C. S. Lewis raha nilaza toy izao momba ny fivavahana kristianina: "Mino ny fivavahana kristianina aho, tahaka ny inoako ny fiposahan'ny masoandro. Tsy hoe satria hitako izany, fa satria hitako koa ny zavatra hafa rehetra." "Is Theology Poetry?" (n. p.: Samizdat University Press, 2014), t. 15, naseho voalohany tamin'ny taona 1944. Amin'ny alalan'i Jesôsy , Ilay Fahamarinana, no ahafahantsika mahatakatra mazava araka ny tokony ho izy ny tontolo manodidina antsika

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal