Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Anjely iray notoherina….

Daty
Alahady 02 March 2025

Efa hitantsika izao fa demonia misaron-tava ireo "andriamani-tsy izy" notompoin'ny firenen-kafa. Ary hitantsika any amin'ny lahatsoratra hafa ny porofo maneho fa ny demonia izay manapaka eny amin'ny rivotra indraindray no miasa ao ambadik’ireo mpanapaka eto an-tany. Na ny anjely izay irahin'Andriamanitra aza dia mety iharan'ny fanoheran'ireo tafiky ny fahavalo.

Vakio ny Dan. 10:1-14 ary ifantohy manokana ny and. 12, 13. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo izay mifandraika amin'ny fifanandrinana lehibe? Inona no hevitrao mikasika İlay anjely nirahin’Andriamanitra izay "notoherina" nandritra ny iraika amby roapolo andro?

Ahoana no mahatonga ny anjely iray nirahin'Andriamanitra ho "voatohitra" nandritra ny roatokom-bolana? Tsitoha Andriamanitra ary manana ny fahefana hamaly an'i Daniela eo no ho eo raha tiany izany. Raha nampiasa ny fahefany mba hanaovana izany Izy dia azony natao ny naniraka anjely hiseho tamin'i Daniela teo no ho eo. "Nanohitra" azy nandritra ny telo herinandro anefa "ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia." Inona no miseho eto?

"Nandritra ny roatokom-bolana, dia niady tamin'ny herin'ny maizina i Gabriela ka niezaka hanohitra mafy ny hery niasa tao an-tsain'i Kyrosy izy. (...) Tontosa avokoa izay rehetra azon'ny lanitra natao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Azo ny fandresena tamin'ny farany; tsy nahita hirika ny herin'ny ratsy nandritra ny fotoana manontolo nanjakan'i Kyrosy sy Kambyza zananilahy (...)"- MM, tt. 464, 465.

Mba hisehoan'ny fifanandrinana tahaka izany, dia tsy maintsy ho nampiato ny fampiasana ny fahefana rehetra ananany Andriamanitra. Tsy maintsy nomena fahalalahana sy fahefana izay tsy nesorina taminy an-tery ilay fahavalo. Nisy fitsipika sasany nametra izany anefa, ary samy nahalala izany ny roa tonta (tsy nambara tamintsika ny tsipiriany momba izany). Azo heverina fa misy ireo fitsipika tsy maintsy hajaina ao anatin'ny fifanandrinana lehibe ka na dia ireo anjelin'Andriamanitra aza dia manaja izany; hantsoin'ny lesona hovelabelarintsika manaraka izao hoe "fitsipika mifehy ny ady" izany.

Azo lazaina fa tsy sarotra ny mahatakatra ireo fetra tsy azo ihoarana ireo raha toa voaraintsika tsara ny hevitra efa noresahina tany aloha momba ny fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana irery ihany, ary raha takatsika koa fa ny fiorenan'ny fitondram-panjakany dia eo amin'ny fitiavana fa tsy eo amin'ny hery sy ny famoretana. Izany hevitra izany ny fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitsipika ateraky ny fitiavana irery ihany - no manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy.

Ahoana no niainanao ny fanandramana momba ireo fetran'ny fiasana araka ireo fifsipiky ny fitiavana ihany fa tsy ny hery? Inona ny lesona nianaranao mikasika ny fetran'ny fahefana?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal