Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Anjely iray notoherina….

Daty
Alahady 02 March 2025

Efa hitantsika izao fa demonia misaron-tava ireo "andriamani-tsy izy" notompoin'ny firenen-kafa. Ary hitantsika any amin'ny lahatsoratra hafa ny porofo maneho fa ny demonia izay manapaka eny amin'ny rivotra indraindray no miasa ao ambadik’ireo mpanapaka eto an-tany. Na ny anjely izay irahin'Andriamanitra aza dia mety iharan'ny fanoheran'ireo tafiky ny fahavalo.

Vakio ny Dan. 10:1-14 ary ifantohy manokana ny and. 12, 13. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo izay mifandraika amin'ny fifanandrinana lehibe? Inona no hevitrao mikasika İlay anjely nirahin’Andriamanitra izay "notoherina" nandritra ny iraika amby roapolo andro?

Ahoana no mahatonga ny anjely iray nirahin'Andriamanitra ho "voatohitra" nandritra ny roatokom-bolana? Tsitoha Andriamanitra ary manana ny fahefana hamaly an'i Daniela eo no ho eo raha tiany izany. Raha nampiasa ny fahefany mba hanaovana izany Izy dia azony natao ny naniraka anjely hiseho tamin'i Daniela teo no ho eo. "Nanohitra" azy nandritra ny telo herinandro anefa "ilay andrianan'ny fanjakan'i Persia." Inona no miseho eto?

"Nandritra ny roatokom-bolana, dia niady tamin'ny herin'ny maizina i Gabriela ka niezaka hanohitra mafy ny hery niasa tao an-tsain'i Kyrosy izy. (...) Tontosa avokoa izay rehetra azon'ny lanitra natao ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Azo ny fandresena tamin'ny farany; tsy nahita hirika ny herin'ny ratsy nandritra ny fotoana manontolo nanjakan'i Kyrosy sy Kambyza zananilahy (...)"- MM, tt. 464, 465.

Mba hisehoan'ny fifanandrinana tahaka izany, dia tsy maintsy ho nampiato ny fampiasana ny fahefana rehetra ananany Andriamanitra. Tsy maintsy nomena fahalalahana sy fahefana izay tsy nesorina taminy an-tery ilay fahavalo. Nisy fitsipika sasany nametra izany anefa, ary samy nahalala izany ny roa tonta (tsy nambara tamintsika ny tsipiriany momba izany). Azo heverina fa misy ireo fitsipika tsy maintsy hajaina ao anatin'ny fifanandrinana lehibe ka na dia ireo anjelin'Andriamanitra aza dia manaja izany; hantsoin'ny lesona hovelabelarintsika manaraka izao hoe "fitsipika mifehy ny ady" izany.

Azo lazaina fa tsy sarotra ny mahatakatra ireo fetra tsy azo ihoarana ireo raha toa voaraintsika tsara ny hevitra efa noresahina tany aloha momba ny fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana irery ihany, ary raha takatsika koa fa ny fiorenan'ny fitondram-panjakany dia eo amin'ny fitiavana fa tsy eo amin'ny hery sy ny famoretana. Izany hevitra izany ny fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitsipika ateraky ny fitiavana irery ihany - no manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy.

Ahoana no niainanao ny fanandramana momba ireo fetran'ny fiasana araka ireo fifsipiky ny fitiavana ihany fa tsy ny hery? Inona ny lesona nianaranao mikasika ny fetran'ny fahefana?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal