Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 13 June 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny mpanjaka voalohany tao Isiraely", PM toko faha-59.

"Hahatonga fahatezerana amin'ireo olom-bitsy mandà tsy hanaiky ny fomba amam-panaon'izao tontolo izao i Satana. Hitambatra amin'ireo olona tsy azo antoka sady tsy mahafehy tena ireo olo-manan-daza sy mahamena-maso, mba hiray tetika hamelezana ny vahoakan'Andriamanitra. Hikambana ny harena sy ny fahaizana amam-pahalalana mba hanazimbazimba azy. Mioko hanisy ratsy azy ireo mpitarika sy mpitandrina mbamin'ny mambran'ny fiangonana. Ataony izay handevonana ny finoan'ny zanak'Andriamanitra amin'ny fomba rehetra, na am-bava, na an-tsoratra, na amin'ny fandroboana, na amin'ny fandrahonana, na amin'ny fanarabiana. Tairiny amin'ny alalan'ny tatitra diso ny fankahalana ao amin'ny olombelona. Ary noho ny tsy fisian'ny andalan-teny mazava avy amin'ny Soratra rehetra hikasihana ny Sabata, dia ny fanerena ny olona hofehezin'ny lalàna no atao. Ary mba hahazoana antoka tsara ny fahamamian-koditra avy amin'ny vahoaka, dia handany lalana momba ny fitandremana ny Alahady ireo mpanao lalàna. Tsy hanaiky ny fampianarana vao naorina izay mandika ny fitsipika voarakitra ao amin'ny Didy folo anefa ireo izay matahotra an'i Jehovah. Ny amin'izany lohateny mivaivay izany no fototry ny fifanoherana mafy hifanaovan'ny fahamarinana sy ny fahadisoan-kevitra. Tsy havela eo amin'ny fisalasalana momba ny fanafahana hatao amin'izany ady izany anefa isika. Ankehitriny koa, tahaka ny tamin'ny andron'i Estera, dia hamaly faty noho ny amin'ny fahamarinany sy ny vahoakany Andriamanitra." - MM, tt. 493, 494.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Araka ny hevitrao, nahoana Andriamanitra no mamela ny vahoakany handalo amin'ny fotoam-pitsapana? Inona no tanjony amin'ny famelana izany hiseho?

2. Ahoana no hiomanan'ny mpino hiatrika ny fizahan-toetra mifandraika amin'ny fahatokiany amin'i Kristy? Aiza no misy fanantenana eo anivon'ny toe-java-tsarotra?

3. Araka ny hevítrao, nahoana isika no manana fironana hifantoka amin'ny zava-tsarotra kokoa ao amin'ny faminanisma sy mamela ireny hanakona ny toe-javatra manan-danja kokoa izay mitondra vaovao mahafaly?

4. Misy namana manatona anao rehefa avy namaky ny bokin'ny Apokalipsy ary milaza aminao fa "mampivarahontsana" ny fahitany izany. Ahoana no hanampianao azy hanana fahatakarana mazava kokoa sy hahatsapa fiadanam-po?

5. Misy milaza hoe: "Tsy resy lahatra aho fa tia ahy Andriamanitra na mitady ahy. Raha mba fantatrao izay nataoko, dia ho takatrao ny anton'izany." Inona no havalinao izany? Ahoana no fiantraikan'ny tantaran'i Rota sy i Estera eo amin'ny valinteninao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal