Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.

Daty
Alakamisy 12 June 2025

HO AMIN'IZAO ANDRO IZAO MIHITSY

Fironana mampalahelo ao amin'ireo Kristianina sasany ny mifantoka amin'ireo teboka sarotra ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly. Hitantsika fa mihakaiky ny fotoan'ny fizahan-toetra, ary mety hiorina amin'ny fahatahorana ny fandinihana ny faminaniana hany ka ny zava-tsarotra no ifantohana fa tsy ny fiafaran'ny tantara izay nampanantenain'Andriamanitra. Na dia tsy afenimpenin'Andriamanitra amintsika aza ny hoavy ary tsoriny amintsika ireo toe-javatra izay hitranga mandra-pifaran'ilay fifanandrinana lehibe, dia zava-dehibe mandrakariva ny hamakiantsika ny tantara hatramin'ny farany.

Misy rafitra ankapobeny ao amin'ny faminaniana izay anehoan'Andriamanitra ireo fahamarinana momba ny fikorontanana nateraky ny fikomiantsika olombelona, ary asehony antsika ny vokatr'izany. Manome fanantenana ho antsika mandrakariva anefa Izy aorian'izany. Misy ireo izay natahotra sy nangovitra raha nijery ireo fanambarana mialoha mikasika ny fotoan-tsarotra farany - ny "androm-pahorian'i Jakoba". Tsy isalasalana fa ho mafy ho an'ireo vahoakan Andriamanitra tokoa ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany, nefa tahaka ny maha-azo antoka ny filazana mialoha momba ny fotoan-tsarotra no maha-azo antoka koa ny teny fikasana momba ny fanafahana.

Manenjika ilay vadin'i Kristy amin'ny valifaty mangidy ny devoly, ao amin'ny Apôk. 12, nefa miditra an-tsehatra mba hamonjy an-dravehivavy Andriamanitra. Ny tantaran'i Estera koa dia ahitana mpanjakavavy tsara tarehy mitana ny anjara toerana fototra ao amin'ilay tantara, ary mampiasa azy amin'ny fomba mahery vaika Andriamanitra mba hamonjena ny olony.

Vakio ny Est. 4:13,14 sy ny Est. 5:1-3 ary ny Est. 9:20-28. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ireo toko sy andininy ireo momba ny toerana misy antsika ao anatin'ny fotoana mamarana ny tantaran'ny tany?

Naorin'Andriamanitra mba hiatrika fotoana manokana eo amin'ny tantara ny fiangonany sisa. Rehefa hifarana ny 1260 andron'ny Vanim-potoana Antenan-tenany rakotra haizina, dia navoakan'Andriamanitra avy tao amin'ny fiafenany ilay hampakariny (ampitahao amin'ny Apôk. 12:14) mba hitondra ny hafa-pamindram-pony farany amin'izao tontolo izao: ny hafatry ny anjely telo. "Ho amin'izao andro izao mihitsy" no maha-eto antsika (Est. 4:14).

Hitan'i Estera fa tsy irery izy raha hiatrika ny fanenjehana nataon'i Hamana tamin'ireo mpiray firenena taminy: nahita fitia teo imason'ny mpanjaka izy ka nafahana ny vahoakany tamin'ny farany. Tsy irery koa isika raha miditra ao amin'ny vanim-potoana farany amin'ny tantaran'ny tany - miandany amintsika ny Mpanjaka ary hafahana koa ny vahoakan'Andriamanitra.

Tsara fiafarana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'io tantara io. Tsy izany mandrakariva anefa no mitranga, nahoana? Araka izany, nahoana isika no tokony hanana fijery mahataka-davitra mba hihazonana ny fanantenana ananantsika ao amin'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal