Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Kristy, Ilay mpandresy.

Daty
Alahady 09 March 2025

Marina fa misy fahavalo am-perinasa, izay antsoin'i Kristy hoe "andrianan'izao tontolo izao", kanefa i Jesôsy Kristy no tena mpanjakan'izao rehetra izao. Nandresy ho antsika i Jesôsy , ary ao Aminy no ahazoantsika fandresena, na dia ao anatin'ny ady sarotra sy ny fahoriana aza. Eny tokoa, manohitra ny fahavalo tsy an-kitsahatra ny asan'i Kristy.

Hitantsika fa faritan'ny Soratra Masina toy izao ny devoly:

  1. ilay mpamitaka izao tontolo izao hatramin'ny taloha (Apôk. 12:9; Mat. 4:3; Jao. 8:44; 2 Kor. 11:3; 1 Jao. 3:8).
  2. ilay mpanendrikendrika sy mpiampanga an'Andriamanitra sy ny vahoakany any an-danitra (Apôk. 12:10; Apôk. 13:6; Joba 1-2; Zak. 3:1,2; Joda 9).
  3. ilay andriana sandok'izao tontolo izao (Jao. 12:31; Jao. 14:30; Jao. 16:11: Asa. 26:18; 2 Kôr. 4:4; Efes. 2:2; 1 Jao. 5:19).

Vakio ny Jao. 18:37. Inona no ambaran’izany amintsika momba ny asan'i Kristy Izay manohitra ny famitahan'ny fahavalo? Inona no hevitry ny hoe Mpanjaka i Jesôsy ?

Na milaza aza ny Soratra Masina fa mpamitaka, mpanendrikendrika, mpiampanga, ary andrianan'izao tontolo izao i Satana, dia ampianariny koa fa i Jesôsy no mpandresy an'i Satana amin'ny lafiny rehetra.

  1. Tonga teto amin'izao tontolo izao i Jesôsy, mba hanambara ny marina (Jao. 18:37).
  2. Tamin'ny fomba faratampony, teo amin'ny hazo fijaliana, no nanehoan'i Jesôsy ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra tonga lafatra (Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8), ka naharihariny tamin'izany ny fitaky ny devoly tamin'ny fanendrikendrehany Azy (Apôk. 12:10,11).
  3. Ary amin'ny farany dia horavan'i Jesôsy ny fanjakan'ny devoly, izay mahafantatra fa "kely sisa ny androny" (Apôk. 12:12; ampitahao amin'ny Rôm. 16:20), ary i Kristy kosa "no hanjaka mandrakizay mandrakizay" -Apôk . 11:15.

Na inona na inona ataon'i Satana amin'ny farany, dia fahavalo efa resy izy, ary ny fitakiantsika isan'andro ny fandresen'i Kristy ho an'ny tenantsika, sy ny fitakiantsika ireo teny fikasana omen'ny hazo fijaliana antsika, no vahaolana ho antsika.

Ela fantatsika hoe iza no mandresy ao anatin'llay fifanandrinana lehibe. Misy fiantraikany amin'izay mety ho anjarantsika amin'ny farany ny safidy ataontsika isan'andro, amin'ny fomba ahoana? Ahoana no ahazoantsika antoka fa ao amin'ny antokon'ny mpandresy no misy antsika na dia izao ankehitriny izao aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal