Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.

Daty
Alarobia 18 March 2026

Vakio ny Kol. 4:2-4. Inona no fitsipika mahakasika ny vavaka hitanao ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Inona no antom-bavaka ataon'i Paoly eto?

Anisan'ireo teny manan-danja indrindra azontsika lazaina amin'ny olona iray miatrika toe-java-tsarotra samihafa (na mahakasika ny fianakaviana izany na ny fahasalamana, na vola na ny hafa koa) ny hoe: "mivavaka ho anao aho." Izany no fomba fifandraisana sy fifaneraserana nofidin'ny lanitra ho an'ny olombelona. "Isan'ny soritr'asa nataon'Andriamanitra ny hanome antsika, ho valin'ny vavaky ny finoana, izay tsy natolony raha tsy nangatahintsika." - HM, t. 546 (ed. 1983).

Maro ireo teny manan-danja nampiasain'i Paoly mikasika ny vavaka: "Mahareta", "amin-kafanam-po" (dikanteny NKJV), "miambena", ary "amin'ny fisaorana izay maneho fa vavaky ny finoana izany (Kol. 4:2). Milaza amintsika izy mba hivavaka "mandrakariva" (Efes. 6:18) ka "aza mitsahatra" - 1 Tes. 5:17. Izao no mahagaga indrindra: na dia "tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika" dia "ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. Rom. 8:26.

Avereno vakina ny Kol. 4:3. Inona no "varavarana ho an'ny teny" mety hosokafan'Andriamanitra ho anao hahafahanao mizara ny finoanao?

Tamin'ny fombamanan-danjatokoanonangatahan'iPaolytamin'Andriamanitra ny teny tokony holazainy. Indraindray isika rehefa mamaky ny epistily nosoratany na ny lahateniny ao amin'ny Asan'ny Apostoly, dia mieritreritra fa olona mahay mandaha-teny mandrakariva ity apostoly ity ary tsy mba misalasala ny amin'izay tokony holazainy. Kanefa eto dia mivavaka izy mba "hanazavako tsara" ny hafatra (Kol. 4:4, DIEM). Mampiasa teny grika iray tena manan-danja koa izy (del) ao amin'ny fiafaran'io andalan-teny io, izay azo adika hoe "araka ny tokony hitenenako"; manondro ny adidy masina amin'ny fitoriana ny filazantsara izany. Tsapany ary nekeny fa zava-dehibe ny hitondrana ny hafatra amin'ireo olona manan-kaja tao amin'ny fitondram-panjakana romanina, anisan'izany ireo tao an-tranon'i Kaisara.

"Tsy ilaina mandrakariva tsy akory ny hiondrika raha hivavaka. Kolokoloy ny fahazarana miresaka amin'ny Mpamonjy rehefa irery ianao, rehefa mandeha ary rehefa sahirana amin'ny asa andavanandro. Aoka hisandratra mangina tsy an-kijanona ny fo hanao fangatahana fanampiana, fahazavana, hery, fahalalana. Aoka ny fofonainao rehetra ho vavaka." - TMF, t. 342 (ed. 1997).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal