Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Antsoina mba hampiorina ny rariny.

Daty
Alarobia 19 March 2025

Manasongadina mandrakariva ny antson’Andriamanitra ho amin'ny fampanjakana ny rariny eo amin'ny fiarahamonina ireo mpaminany ao amin'ny Soratra Masina. Averimberin'ny Baiboly ny firesahana momba ireo olana mahakasika ny tsy rariny sy ny fampahoriana ny hafa. Ny antso mba hiavian'ny fitsaran'Andriamanitra aza dia antso mba hampiorenany ny rariny.

Ny mpaminany Isaia, ohatra, dia tsy mitsitsy fitenenana manoloana ny tsy rariny teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany. Tokony hipaka aty an-tsofintsika ankehitriny ny teny mazava nataony sy ny antsony ny mba hampanjakana ny rariny: "Mianara hanao ny tsara, diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena." - Isa. 1:17. Ho fanampin'izany, dia izao no ambarany: "Loza ho an'izay mamoaka fitsarana tsy marina" sy "manendaka ny rariny amin'izay ory Isa. 10:1,2 (dikanteny Baiboly katolika). Izao no fampitandremana atao: "Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?" - Isa. 10:3.

Tahaka izany koa, ny mpaminany Jeremia dia nanambara hafatra avy amin'Andriamanitra toy izao: "Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany (...) Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy. Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehôvah ." - Jer. 22:13, 15, 16.

Vakio ny Mat. 23:23-30. Inona ny lesona omen'i Jesôsy eto momba izay manan-danja indrindra? Araka ny hevitrao, inona no tiany hambara amin'ny hoe "Izay lehibe amin'ny lalana"?

Raha misy mihevitra fa ireo mpaminanin'ny Testamenta Taloha ihany no sarotiny manoloana ny tsy rariny, dia aseho antsika mazava eto fa nahasarotiny indrindra an'i Kristy koa izany nandritra ny fotoam-piasany teto an-tany. Hoy Izy: "Lozanareo, mpanora-dalána sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalana, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana." - Mat. 23:23. Ao amin'ny andalan-teny mifandraika amin'izany ao amin'ny filazantsaran'i Lioka, no ilazan'i Jesôsy amin'alahelo hoe: "lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an'Andriamanitra" - Lio. 11:42.

Raha asaina mifantoka amin "Izay lehibe amin'ny lalàna" ianao anio, dia toy ny ahoana izany raha oharina amin'ny "fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina" izay mety hifantohantsika eo amin'ny toerany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal