Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.

Daty
Alarobia 17 June 2026

Maro no mahalala tsara ny fangirifiriana sy ny alahelo noho ny fananana zanaka izay mifidy ny hiala amin'ny Tompo — na dia notezaina tao anatin'ny tokantrano mafy orina ara-panahy aza.

 I Efraima, firenena nofidin'Andriamanitra, dia naniasia niala tamin'ny Tompo. Inona no Iazain'ny Hôs. 4:17 sy ny Hos. 7 amintsika momba ny fahotan'i Efraima?

Ankoatra izany, voalaza fa mitomany (sarin-teny) i Rahely, reniben'i Efraima, satria niala tamin'ny Tompo i Efraima (Jer. 31:15). Nam* izany alahelony lehibe izany ny Tompo tamin'ireto teny ireto, ao amin'ny Jer. 31:16,17: "Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehôvah , Ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehôvah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray."

Nasaina hanana fanantenana i Rahely fa tsy hitomany. Inona koa no ambaran'i Jeremia amintsika? Vakio ny Jer. 31:18,19.

Ianarantsika avy amin'ny alalan'ny tantaran'i Efraima fa misy mandrakariva ny fanantenana, satria Andriamanitra tsy milavo lefona.

Na mananatra imbetsaka ny olony nania aza Andriamanitra, dia tsy mitsahatra ny famindram-pony, ary mitohy ny hafany ao amin'ity toko ity (jereo ny Jer. 31:20).

Mety ho ialina ny alahelontsika, ny fahadisoam-panantenana, na ny hakiviantsika noho ny amin'ireo akaiky ny fontsika izay nanalavitra an'Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika anefa Andriamanitra eto fa tsy nanadino ilay zanaka naniasia Izy — sanatria! Tsy hoe zara raha ao an'eritreritr'Andriamanitra ny momba ny olona toy izany, fa tsarovany marina ao am-pony tokoa izy. Milaza aza Andriamanitra fa fatra-pahatsiaro azy. Maniry fatratra ny hiverenan'izy ireo Aminy Izy, ary lehibe ny famindram-pony.

Rehefa fantatrao ny navalin'Andriamanitra ny alahelon'i Rahely noho ny faniasiavan'i Efraima, manao ahoana ny fihetseham-ponao ny amin'ireo olona fantatrao fa nanalavitra ny Tompo? Ahoana no anovan'izany ny fomba fijerinao na ny ampaherezan'izany anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal