Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy

Daty
Alarobia 24 December 2025

NY LOZA MIFANDRAIKA AMIN'NY FANOMPOAN-TSAMPY

Vakio ny Jos. 24:22-24. Nahoana i Josoa no tsy maintsy namerina ny antso tamin'ny Isiraelita ny hanarian'izy ireo ny sampiny?

Loza mananontanona tokoa ny fanompoan-tsampy fa tsy zavatra foronin'ny saina fotsiny tsy akory. Tany aloha no efa nilazan'i Mosesy ny zanak'Isiraely mba handray fanapahan-kevitra tahaka izao, teo amin'ireo lernak'i Moaba (Deo. 30:19,20). Ny andriamanitra izay resahina eto dia tsy ireo tany Egypta na koa any am-pitan'ny ony, fa ireo izay "eo amin'izy ireo". Izany no mahatonga an'i Josoa miangavy ny olony mba hampanatona ny fon'izy ireo amin'i Jehovah. Natah no teny hebreo ampiasaina eto, izay midika hoe "manatsotra", na "miraika". Maneho ny sarin'ny Andriamanitra iray izay andrandraina mba hiondrika sy hihaino vavaka izany (2 Mpanj. 19:16; Sal. 31:2,3, Dan. 9:18), ary izany koa no fihetsika takin'ireo mpaminany amin'ny Isiraely aty aoriana (Isa. 55:3; Jer. 7:24). Ampiasaina izany mba hanondroana ny fihemoran'i Solomona rehefa nivily nanaraka ireo andriamani-kafa ny fony (1 Mpanj. 11:2,4,9). Tsy fironana voajanahary ao anatin'ny fon'olombelona be fahotana ny hanongilana ny sofiny hihaino ny feon'Andriamanitra. Fanapahan-kevitra voasaina lalina no ilaina vao mahay mampirona ny fontsika ho amin'ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra isika.

Tahaka izao ny hevitra ara-bakitenin'ny valintenin'ny Isiraelita: "Hihaino ny feon'Andriamanitra izahay." Manasongadina ny fankatoavana vokatry ny fifandraisana amin'Andriamanitra izany. Tsy asaina manaraka fitsipika tsy misy aina toy ny milina ny Isiraely. Ny fanekena mantsy dia fifandraisana velona amin'i Jehôvah , ka tsy mahalaza azy amin'ny fahafenoany raha ny didy amam-pitsipika fotsiny. Tsy nokendrena ho fanarahana fitsipika hentitra na oviana na oviana ny fivavahan'ny Isiraely fa ho fifandraisana mitohy amin'ilay Mpamonjy masina sy be indrafo, izay atao amin'ny finoana sy ny fitiavana.

Na dia nanao fampanantenana telo sosona ny hanompo an'i Jehôvah aza ireo vahoaka, izay nitarika ho amin'ny fanesorana ireo andriamani-kafa teo amin'izy ireo araka ny baikon'i Josoa, dia tsy misy tatitra milaza fa tena niseho tokoa izany. Manerana ny bokin'i Josoa, dia manjary mahazatra ny mitatitra ny fahatanterahan'ireo zavatra nandidian'i Josoa (na i Mosesy) ho ohatry ny fankatoavana. Ny tsy fahitana ny tatitra momba izany any amin'ny fiafaran'ilay boky dia maneho fa tsy mbola tanteraka ny hafatr'i Josoa. Tsy ho an'ireo taranaka tamin'ny andron'i Josoa ihany ny antso manan-danja indrindra ao amin'ny bokiny ny mba hanompoana an'i Jehovah, fa miantefa koa amin'ny taranaka vaovao tsirairay amin'ny vahoakan'Andriamanitra izay hamaky sy handre izany hafatra izany.

Impiry ianao no efa nampanantena an'i Jehôvah fa hanao zavatra iray nefa tsy nanao izany akory? Inona no anton'izany? Inona no ambaran'ny valinteninao mikasika ny fahasoavana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal