Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Fanatanterahana ny lalàna ny Fitiavana.

Daty
Alarobia 26 March 2025

Tsara mandrakariva ny manantitrantitra ny fifandraisan'ny fitiavana sy ny lalána. Voalazan'ny Soratra Masina tokoa fa ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana.

Ampianarin'i Paoly ao amin'ny Röm. 13:8-10 fa "izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana" (and. 8). Rehefa avy nitanisa ny ankamaroan ireo didy enina farany ao amin'ny Didy folo i Paoly dia nanambara fa ireny didy rehetra ireny dia "efa ao anatin'izao teny izao hoe: 'Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" and. 9. Lazain'i Paoly mazava fa "ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana and. 10. Ary hazavainy indray ao amin'ny Gal. 5:14 fa "tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalåna rehetra, dia izao: 'Tiava ny namanao tahaka ny tenanao'." Kanefa ilay karazana fitiavana manao ahoana no mahatanteraka ny lalana?

Vakio ny Mat. 23:23,24, Inona no ambara amin'ny hoe: "izay lehibe amin'ny lalàna"? Vakio ny Deo. 5:12-15 sy ny Isa. 58:13,14. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny fifandraisana misy eo amin'ny lalana (Indrindra ny didy momba ny Sabata) sy ny lanjan'ny rariny sy ny fanafahana eo imason'Andriamanitra?

"Ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana" no lazain'i Jesōsy ho "izay lehibe amin'ny lalana". Raha ny didy momba ny Sabata manokana dia hitantsika ao amin'ny Soratra Masina fa mifandray tanteraka amin'ny fanafahana sy ny rariny izany.

Ao amin'ny Deo. 5, ny didy momba ny Sabata dia mifototra amin'ny fanafahan Andriamanitra ny Isiraely tamin'ny fanandevozana. Izany hoe, ny Sabata dia tsy tsangambaton'ny Famoronana fotsiny fa fahatsiarovana ny fanafahana tamin'ny fanandevozana sy ny fampahoriana koa. Ary ao anatin'ny tontolon-kevitry ny tsy fanaovana izay tian'ny tena ka manao ny Sabata ho fahafinaretana sy miravoravo amin'i Jehovah (Isa. 58:13,14), dia ny asam-pitiavana sy ny rariny ho an'ny hafa no asongadin'izany- ny fanaovan-tsoa, ny fanomezana sakafo ny noana, ny fampiantranoana ny ory manjenjena (jereo ny Isa. 58:3-10).

Eo anatrehan'ireo fampianarana rehetra ireo (sy ny maro hafa), izay maniry ny hanatanteraka ny lalána amin'ny alalan'ny fitiavana dia tokony hitandrina tsy ny amin'ny ota atao ihany fa ny amin'ny tsara tsy atao koa. Satria ny fitiavana ho fahatanterahana ny lalåna dia tsy fitandremana ny lalana amin'ny heviny hoe miezaka tsy hanota fotsiny ihany, fa tafiditra ao koa ny fanaovan-tsoa amim-pahavitrihana dia asam-pitiavana izay mampandroso amim-pahatokiana ny rariny sy ny famindram-po. Mihoatra lavitra noho ny tsy fandikana izay voasoratra ao amin'ny lalàna ny atao hoe mahatoky amin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal