Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.

Daty
Alakamisy 25 September 2025

NONINA NIARAKA TAMIN'NY OLOMBELONA I JESÔSY 

Vakio ny Jao. 1:14. Ampitahaina amin'ny tabernakely ny fahatongavan'l Kristy ho nofo; amin'ny fomba ahoana?

Zava-miafina ny fahatongavan'l Jesosy ho nofo, ary siansa manokana izay hianaran'ny voavotra mandritra ny mandrakizay izany. Ambaran'ny apostoly Jaona fa nonina niaraka tamintsika tam tamin'ny fomba azo tsapain-tanana Andriamanitra, rehefa tonga olombelona i Kristy. I Jesosy tao amin'ny nofo dia mitovy amin'llay Andriamanitra ao amin'ny TT, izay nonina niaraka tamin'ny Isiraelita tao amin'ny tabernakely tao Sinay sy tany an'efitra, nandritra ny dian'izy ireo ho any amin'ny Tany Nampanantenaina.

Nonina niaraka tamin'ny olombelona i Jesôsy fony Izy tonga nofo. Fietrena tsy takatry ny saina velively izany! Nidina teto amintsika Ilay Andriamanitra mandrakizay, tonga iray amintsika, mba hanome toky antsika fa "Imanoela" tokoa Izy; izany hoe: "amintsika Andriamanitra".

"Na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho," hoy i Jesosy ao amin'ny Mat. 18:20. Miaraka amin'ny vahoakany i Kristy amin'ny alalan'ny fanatrehan'ny Fanahy Masina. Manasa ny mpanara-dia Azy i Kristy mba hifandray ety Aminy: "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko." - Apôk. 3:20.

Vakio ny Apok. 21:1-3. Inona no aseho antsika eto?

Hidina avy any an-danitra ho eto an-tany i Jerosalema Vaovao, ary hoy i Jaona: "Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny." - Apôk. 21:3. Tsy misy tempoly ao Jerosalema Vaovao (Apôk. 21:22) satria ny tanana manontolo no tempoly, dia fitoerana masin'Andriamanitra. Mitovy ny halavan'ny tanàna sy ny sakany ary ny haavony (Apôk. 21:16) tahaka ny refin'ilay Efitra Masina Indrindra tao amin'ny fitoerana masina teto an-tany, izay nanana endrika goba, mitovy ny lafiny rehetra. Hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandritra ny mandrakizay isika, ao anatin'ny tontolo tsy misy ota, na fahafatesana na fijaliana.

Rehefa dinihina izay nampanantenaina antsika ao amin'i Jesôsy , ahoana no tsy haharetantsika hatramin'ny farany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal