Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.

Daty
Alahady 21 September 2025

NY SABATAN’I JEHÔVAH

Na manao ahoana na manao ahoana ny fiheveran-dison'ireo mpanohitra ny Sabata andro fahafito, fa natao ho an'ny Jiosy ihany ny Sabata (notahina sy nohamasinina tao Edena ny andro fahafito [jereo ny Gen. 2:1-3]), na milaza aza izy ireo fa tao Sinay no nandrenesan'ny Jiosy momba izany voalohany, izay tsy marina (satria efa nitandrina ny Sabata talohan'ny tranga teo Sinay ny Jiosy [jereo ny Eks. 16:22-29])-dia tsy misy isalasalana fa ampahany lehibe tamin'ny fiainan'ny vahoaka hebreo hatrany am-boalohany ny Sabata.

Vakio ny Eks. 35:1-3. Inona ny fahamarinana naverina tamin'ny olona teto, ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fanorenana ny fitoerana masina?

Ny Sabata sy ny hafatra voiziny dia mahakasika an'Andriamanitra, na tamin'ny lasa, na ankehitriny, na ho mandrakizay - Iza Izy? Inona avy ny asa lehibe nataony? Mampahatsiahy atsiahy antsika ny asa famoronana sy famonjena nataon'Andriamanitra ny Sabata ary misarika ny saintsika ho amin'Andriamanitra, izay te honina eo amin'ny vahoakany. Araka izany, zavatra iray ihany no tondroin'ny Sabata sy ny fitoerana masina: ny fanatrehan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika.

Nivoy hafatra maro sosona ny Sabata teo amin'ny fiangonana tamin'ny andron'ny TT. Teboka dimy lehibe no azo amintinana ny votoatin'izany:

  1. Andriamanitra no Mpahary, ary manomboka amin'io fanambarana fototra sy mahatalanjona io ny Baiboly (Gen. 1:1). Ny Sabata no fahatsiarovana mazava ny Famoronana nataon'Andriamanitra (Gen. 2:2,3; Eks. 20:8-11). Miainga amin'io fahamarinana io avokoa ireo fahamarinana ara-Baiboly hafa rehetra - dia ny hoe: Andriamanitra no Mpahary.
  2. Ho avy ny Mesia, ary io fanantenana io dia mifototra amin'ny teny fikasan Andriamanitra momba ilay Taranaka, izay handresy ny menarana (Satana) sy ny faharatsiana.
  3. Hampiorina ny fanjakany Andriamanitra, ary ny Sabata dia santionan izany
  4. Avy amin'ny Tompo ny famonjena, ary ny vahoakan'Andriamanitra dia vavolombelona manambara fa Andriamanitra no Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo, ary ny fahasoavany irery ihany no ahazoan'ny olona famonjena.
  5. Andriamanitra no mpitsara faratampony ny olona rehetra. Ho ratsy fiafara izay minia manohitra sy manda Azy, fa omeny maimaimpoana ho an'izay manaraka Azy kosa ny fiainana mandrakizay.

Misy oha-pitenenana Jiosy manao hoe: "Ny Sabata no nitandrina ny Isiraely mihoatra noho ny nitandreman'ny Isiraely ny Sabata." Na dia mety tsy ho toy izany aza ny filazantsika azy amin'ny maha-Advantista antsika, inona no anjara lehibe tanan'ny Sabata eo amin'ny fialnam-piangonantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal