Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina

Daty
Alatsinainy 06 October 2025

ZAVA-MANANDANJA TAO AMIN’NY TOERANA TSY AMPOIZINA

Vakio ny Jos. 2:2-11, Heb. 11:31, ary ny Jak. 2:25. Inona no ambaran’ireo andininy ireo mikasika an-dRahaba?

Ny misongadina amin'ny tantaran'i Rahaba dia ny lainga nataony mba hiarovana ireo mpisafo tany. Eo am-pandinihantsika ny laingany, dia tokony ho fantatsika fa tao anatin'ny fiarahamonina difotry ny fahotana no nisy azy, izay nitarika ho amin'ny fitsaran’Andriamanitra izany fiarahamonina izany (Gen. 15:16; Deo. 9:5; Lev. 18:25-28). Na marina aza fa midera ny finoany ny TV, rehefa dinihina tsara ireo andininy ao amin'ny TV miresaka momba izay nataony, dia tsy misy fanamarinana na fankasitrahana ny momba azy sy ny laingany tsy akory hita ao.

Manamafy ny fananany finoana ny Heb. 11:31, tamin'ny nanapahany hevitra hiandany tamin'ireo mpisafo tany fa tsy nifikitra tamin'ny kolontsaina ratsy. Ny Jak. 2:25 dia midera azy noho ny nandraisany ireo iraka Isiraelita roa sy ny nanoroany azy ireo lalana azo antoka hiverenana. Tao anatin'ny kolontsaina mitotongana sy fomba fiaina feno fahotana nisy an-dRahaba, dia nahita pitik'afom-pinoana tao aminy Andriamanitra, noho ny fahasoavany, izay nahafahany namonjy azy. Nampiasain’ Andriamanitra ny tsara tao amin-Rahaba dia ny finoany Azy sy ny safidiny ho isan'ny olony - fa tsy nankasitraka ny zava-drehetra nataony tsy akory Izy. Nanan-danja tamin'Andriamanitra i Rahaba noho ny herim-pony miavaka, noho ny finoany feno fahasahiana, noho izy nitondra famonjena, ary noho ny nifidianany an'Andriamanitry ny Isiraely.

Hoy i Rahaba noho ny fahafantarany ny zava-nitranga: "fa Jehôvah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany" Jos. 2:11. Zava-dehibe ny mandre vehivavy Kananita iray miaiky fa i Jehôvah no hany Andriamanitra, indrindra teo ambonin'ny tafo izay, raha ny fivavahany amin'ny maha-mpanompo sampy azy, dia toerana nanandratana vavaka tamin'ireo andriamanitra izay ninoany fa any an-danitra.

Efa hita any aloha io fanambaran-dRahaba io, izay tsy ampiasaina raha tsy ilazana ny zon'Andriamanitra ho hany mendrika hiankohofana (Eks. 20:4; Deo. 4:39: Deo. 5:8). Ny teniny dia vavolombelon'ny safidy efa nodinihina tsara, izay nanekeny fa ny Andriamanitry ny Isiraelita no hany Andriamanitra marina. Maneho izany fa takany tsara ny fifandraisana akaiky misy eo amin'ny fiandrianan'Andriamanitra sy ny fitsarana efa miandry an'i Jeriko.

Teo anatrehan'ny fitsaran'i Jehôvah, dia takany fa safidy roa ihany no nisy: na manohy mikomy Aminy ka ho ringana, na misafidy ny hitolo-batana ho Azy amim-pinoana. Nanjary ohatra ny amin'izay mety ho niafaran'ny mponin'i Jeriko manontolo i Rahaba, tamin'ny nifidianany ny Andriamanitry ny Isiraelita. Raha mba nitodika tamin'ny Andriamanitry ny Isiraely mantsy izy ireo mba hahazo famindrampo!

Inona no ampianarin'ity tantara ity antsika momba ny tokony hanolorantsika tena tanteraka ho an'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal