Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Fampidirana

Daty
Sabotsy 05 October 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 6:1-15; Isa. 53:4-6; 1 Kôr. 5:7; Jao. 6:26-36; Jao. 9:1-41; 1 Kôr. 1:26-29; Jao. 11.

Tsianjery: "Hoy Jesôsy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?" — Jao. 11:25,26.


Mazava ny Baiboly fa i Jesôsy Kristy no Ilay Zanaka mandrakizay, iray amin'Andriamanitra Ray; tsy misy tahaka Azy ary tsy voary Izy. I Jesôsy no nahary izao zavatra ary rehetra izao (Jao. 1:1-3). Araka izany dia efa nisy hatrizay i Jesôsy; tsy mbola nisy ny fotoana tsy nampisy Azy. Na dia tonga teto amin'ity tany ity aza i Jesôsy ka tonga olombelona, dia mbola Andriamanitra hatrany Izy, ary nisy fotoana manokana nanaovan'i Jesôsy  teny sy asa manambara ny maha-Andriamanitra Azy.

Nanan-danja lehibe ho an'i Jaona io fahamarinana io, ary izany no nahatonga azy nitantara ny sasany tamin'ireo fahagagana nataon'i Jesôsy, mba hanehoana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Tsy nanao teny manambara ny maha-Andriamanitra ny Tenany fotsiny i Jesôsy fa nampiarahiny tamin'ny asa maneho ny maha-Andriamanitra Azy koa izany.

Handinika ireo famantarana telo lehibe indrindra ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy isika amin'ity herinandro ity. Ny manaitra dia ny tsy finoan'ny olona sasany ilay fahagagana sy ny tsy fahatsapany ny mahazava-dehibe azy tamin'ny fotoana nitrangan'izany. Ho an'ny olona sasany dia fotoana nialana tamin'i Jesôsy izany; ho an'ny hafa kosa dia fotoana nilentehany tao anatin'ny fahajambana. Nisy ireo izay nandray izany ho fotoana hiraisana tetika hamonoana an'i Jesôsy, ary nisy kosa nandray izany ho fotoana hinoana fa i Jesôsy no Mesia.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal