Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Ny Fitiavan’Andriamanitra mandrakizay

Daty
Alahady 05 January 2025

Mazava ny ambaran'ny Soratra Masina: tia ny olon-drehetra Andriamanitra. Ny andalan-teny be mpahalala indrindra ao amin'ny Soratra Masina no manambara izany fahamarinana izany, dia ny Jao. 3:16: "Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."

Vakio ny Sal. 33:5 sy ny Sal. 145:9. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo mikasika ny fahalehibeazan'ny famindrampon'Andriamanitra sy ny fiantrany?

Mety misy mihevitra fa tsy mendrika ny hotiavina ny tenany, na koa hoe tia ny olona rehetra afa-tsy izy Andriamanitra. Tsy mitsaha-milaza anefa ny Baiboly fa ny olombelona rehetra no tian'Andriamanitra. Tsy misy olona ankahalainy. Ary satria tia ny olona rehetra Izy dia tiany koa raha ho voavonjy ny rehetra.

Vakio ny 2 Pet. 3:9; 1 Tim. 2:4 ary ny Ezek. 33:11. Inona no amplanarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ny fanirian'Andriamanitra hamonjy ny olon-drehetra?

Izao no anampian'ny andalan-teny aorian'ny Jao. 3:16 izany: "Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao." - Jao. 3:17. Raha niankina tamin Andriamanitra irery dia tiany raha mandray ny Fitiavany ny olona rehetra ka ho voavonjy. Tsy hanery na iza na iza handray izany Fitiavana izany anefa Izy. Manana fahafahana handray na handà izany ny olona rehetra.

Ary na dia mandà izany Fitiavana izany aza ny olona sasany dia mbola tia azy ireo hatrany Andriamanitra. Izao no ambarany amin'ny olony ao amin'ny Jer. 31:3: "Fitlavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nar nampaharetako famindrampo ho anao." Fampianarana averimberin'ny Baiboly ao amin'ireo boky hafa ao aminy ny maha-maharitra mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra (jereo, ohatra, ny Sal. 136). Tsy mety ritra ny fitiavan'Andriamanitra fa maharitra mandrakizay. Sarotra ho antsika ny hahatakatra izany satria mora matetika ny tsy ho tia ny hafa, sa tsy izany?

Raha azon'ny tsirairay atao anefa ny mianatra ny fanandramana momba ny maha-zava-misy marina izany fitiavana izany izany hoe, manandrana manokana ny fitiavan'Andriamanitra hanao ahoana ny ho fahasamihafan'ny fomba fiainantsika sy ny fitondrantsika ny hafa!

Raha tia ny olon-drehetra Andriamanitra, dia midika izany fa tiany koa ireo olona tsy maha-te ho tia loatra, misy tokoa mantsy izany (betsaka izy ireo, raha ny marina). Inona no ampianarin'ny fitiavan'Andriamanitra ireny olona ireny momba izay tokony ho fihetsitsika koa manoloana azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal