Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa

Daty
Alahady 05 April 2026

Ny Baiboly no manome endrika marina, mazava, ary tsy miovaova indrindra momba an'Andriamanitra. Manao izay hanesorana ilay lamba tsy hita maso manarona eo anelanelan'ny tontolontsika hita maso sy ny tontolo tsy hita maso ny Baiboly manontolo mba hampisehoana amintsika izay niaviantsika sy izay alehantsika, ary amin'ny farany, mba hampisehoana amintsika hoe Iza no mifehy ary manao ahoana ny toetrany.

Vakintsika manomboka ao amin'ny Genesisy ka hatramin'ny Apôkalipsy ny aninilay Andriamanitra tokana sady marina, Izay mampahafantatra ny Tenany amintsika amin'ny alalan'ny Balboly sy amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, Ilay Andriamanitra tonga nofo. Azoritsika atao ny mamaky momba ny fahefan'Andriamanitra tsy voafetra (Jôba 1:12), пу fahalalany ny zavatra rehetra (Isa. 46:9, 10), ny fahamarinany (Isa. 30:18), ny famindram-pony (Deo. 7:9), ny hamoram-panahiny sy ny fahari-pony amintsika (Rôm. 2:4), ny fahendreny (1 Kör. 2:7), ny fahasoavany (2 Kor. 12:9), ny famelany heloka (Mat. 6:14), ny sitrapony ho an'ny fiainantsika (Jer. 29:11), ny heriny mandresy ny fahafatesana (Jao. 11:25), ny maha Mpanjaka Azy (Sal. 47:8), ny maha mandrakizay Azy (Deo. 33:27). ary toetra maro hafa izay manome antsika antony betsaka hitiavana sy hananana fifandraisana maharitra Aminy. Arakaraka ny hahafantarantsika an'Andriamanitra sy ny toetrany, no vao mainka hitiavantsika Azy sy haniriantsika hifandray akaiky sy maharitra Aminy.

I Losifera no nisalasala voalohany ny amin'ny toetran'Andriamanitra. Izany no nitarika ho amin'ilay ady lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'izao rehetra izao. Nanomboka teo dia "tsy nitsahatra ny ezaka ataon'i Satana mba hihazonana ny sain'ny olona ho variana amin'ireo zavatra izay hanakana azy tsy hahazo ny fahalalana an'Andriamanitra"-TFC. b. 5. 1. 740. Tsy mampaninona an'i Satana izay endrik'Andriamanitra ao an-tsaintsika ao («panthéisme» mino fa ny zavaboary rehetra dia andriamanitra, atheisme» - tsy mino ny fisiana Andriamanitra, «déisme» - mino ny fisian'Andriamanitra tokana saingy tsy mivavaka Aminy, sns.), rehefa tsy ilay marina no ananantsika.

Vakio ny Gen. 3:1-5. Inona no tanjon'i Satana tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Eva? Inona avy ireo lainga nolazainy tamin'i Eva momba ny toetran'Andriamanitra?

Ny tena votoatin'ny hafatr'i Satana ho an'i Eva dia izao: Manafin-javatra aminao Andriamanitra. Tsy mitady ny tsara indrindra ho anao Andriamanitra. Tsy azonao itokiana Izy. Manazava izany i Ellen White "Ny hanoso-dratsy ny toetran'Andriamanitra sy ny hitarika ny fikomiana hanohitra ny lalany no planina nosoritan'ilay filohan'ny mpandainga hatrany am-piandohan'ilay ady lehibe.-PM. 1. 326.

Ahoana no anehoana ny toetran'Andriamanitra amin'ny fomba diso ankehitriny eto amin'ity tontolontsika ity? Ratsy lavitra noho izany, ahoana no mety ho nanehoanao tamin'ny fomba diso ny toetran'Andriamanitra tamin'ny hafa indraindray? Raha efa nanao izany ianao, inona no azonao atao mba hlovana miaraka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina? Ahoana no ahafahanao maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona ma-nodidina anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal