Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.

Daty
Talata 07 July 2026

Mazava tokoa ny hafatra ambaran'ny 1 Kor. 1:18 ka tsy misy tokony ho diso fandray izany. Miankina amin'ny fomba fijerin'ny olona mikasika ny hazo fijaliana ny hevitry ny hazo fijaliana. Fahadalana izany ho an'ireo izay mikomy amin'Andriamanitra, fa hery kosa ho an'ireo maniry fatratra ny Famonjeny.

Vakio ny Kol. 1:20 sy ny 1 Pet. 2:24. Inona no nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana?

Araka izay efa hitantsika, izay mitory ny filazantsara, dia aoka "hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo kaftan? Kristy." - 1 Kor. 1:17. Rehefa jerana ny 1 Wk. 1:17, dia manjary mora kokoa ny mahatakatra ny antony ilazana fa ny herin'Andriamanitra no mifanohitra amin'ny fahadalana, fa tsy ny fahendren'olombelona (1 Mir. 1:18). Ny hazo fijaliana, izay mifanohitra amin'ny fahendren'olombelona, no maneho indrindra ny fahadalan'ny fahendren'olombelona.

Ny dikanteny grikan'ny 1 Kôr. 1:18 dia milaza fa mandray ny vokatry ny asany ireo "izay ho very." Azo vakina toy izao izany: "Fa ny hafatra ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana ho an'ireo manimba ny tenany." Ny matoanteny grika apollymi ("very") dia azo adika ihany koa hoe "manimba" na "mandringana" (Jao. 10:10). Nadika hoe "hofoanana" ny apollymi ao amin'ny 1 Kôr. 1:19.

Inona no mitranga eto? Omen, Paoly ny fototra ara-Baiboly iorenan'io fanambarana io ao amin'ny and. 18, momba ireo izay ho very, ka averiny ao amin'ny and. 19 ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny Isa. 29:14. Andriamanitra no ao ambadiky ny fanafoanana ao amin'ny and. 19. Toa manohitra ny avonavona manimba ny tena voaresaka eo aloha izany teny izany, nefa tsy misy fifanoherin-kevitra eto tsy akory. !no no tiana hambara: Andriamanitra dia handringana ireo izay efa manimba ny tenany rahateo.

Eo ankilan'ireo izay ho ringana, ny teny hoe "amintsika izay hovonjena"- 1 Kôr. 1:18, dia milaza fa avy amin'Andriamanitra irery ny famonjena.Ambaran'i Paoly fa hovonjena isika, izany hoe, tsy isika no mamonjy ny tenantsika. Ary mazava loatra fa tsy haintsika ny manao izany, avy ety ivelan'ny tenantsika ny famonjena antsika. Afaka manimba tena ny olona, fa ny famonjena kosa dia tsy maintsy atolotra, fanomezana ho an'ny mpanota noho ny fahasoavana izany. Mazava ny ambaran'ny 1 Kôr. 1:21 fa Andriamanitra no mamonjy ireo izay mino. Ny fahadalana, araka izany, dia ny fandavana ny fanomezana atolotr'Andriamanitra ny zanak'olombelona amin'ny alalan'ny hazo Kristy (1 Kôr. 1:30), ka izany fandavana izany no mitondra fandringanana ho azy.

"Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fialnana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao aming Kristy Jesôsy Tompontsika."- Rôm. 6:23. Ahoana no amerenan'io toko sy andininy io izay voalazan'l Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 1:18, 19? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal