Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Vato velona.

Daty
Alarobia 15 January 2025

Ahoana no mety hahatonga antsika, izay olona lavo sy mpanota, hankasitrahan'Andriamanitra Izay masina?

Vakio ny Rôm. 8:1 sy ny Rôm. 5:8. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny toerana misy antsika eo imason'Andriamanitra.

Na tsy mbola nanao fihetsika na inona na inona akory aza ny olombelona dia efa nandrotsaka ny fahasoavany ho an'ny olona Andriamanitra. Raha tsy mbola miteny na inona na inona akory isika dia efa manatona antsika Andriamanitra manolotra fahafahana ho antsika mba handray na handà ny fitiavany. Araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 5:8 hoe: "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" (ampitahao amin'ny Jer. 31:3). Ary azontsika atao ny mihavana amin'Andriamanitra sy ny hankasitrahana eo imasony aza, amin'ny alalan'ny finoana ny asan'llay Mpanavotra antsika.

Vakio ny 1 Pet. 2:4-6 ary ampitahao amin'ny Heb. 11:6. Inona no ambaran’izany amintsika ny amin'ny fomba ahazoana sitraka amin'Andriamanitra?

Tsy misy zava-tsoa hain'ny olombelona lavo omena an'Andriamanitra raha tsy miditra an-tsehatra Andriamanitra. Noho ny fahasoavany sy ny famindrampony dia nanolotra vahaolana tamin'ny alalan'ny asan'i Kristy Izy. "Amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy" tokoa no ahafahantsika manatitra "fanati-panahy sitrak'Andriamanitra." - 1 Pet. 2:5. Kanefa "raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy" - Heb. 11:6, ary amin'ny alalan'ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy no hanaovan'Andriamanitra antsika ho mpino "tanteraka (...) amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatintsika izay ankasitrahana eo imasony Izy, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena." - Heb. 13:21. Isaina ho marina eo imason'Andriamanitra, noho ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy, ireo izay mamaly Azy amin'ny finoana. Ny fahamarinan'i Kristy irery ihany no azo ekena. Ary ireo izay mamaly ny antsom-pitiavan'Andriamanitra dia isaina ho mendrika noho ny fanelanelanana ataon'i Kristy (Lio. 20:35), ovany hitovy Aminy (Kôr. 15:51-57, 1 Jao. 3:2). Manao asa fanavotana ho antsika, sy ao anatintsika Andriamanitra.

Nahoana no mampahery tokoa ny hoe manao asa fanelanelanana ho anao any an-danitra i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal