Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Vato velona.

Daty
Alarobia 15 January 2025

Ahoana no mety hahatonga antsika, izay olona lavo sy mpanota, hankasitrahan'Andriamanitra Izay masina?

Vakio ny Rôm. 8:1 sy ny Rôm. 5:8. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny toerana misy antsika eo imason'Andriamanitra.

Na tsy mbola nanao fihetsika na inona na inona akory aza ny olombelona dia efa nandrotsaka ny fahasoavany ho an'ny olona Andriamanitra. Raha tsy mbola miteny na inona na inona akory isika dia efa manatona antsika Andriamanitra manolotra fahafahana ho antsika mba handray na handà ny fitiavany. Araka ny voalaza ao amin'ny Rôm. 5:8 hoe: "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" (ampitahao amin'ny Jer. 31:3). Ary azontsika atao ny mihavana amin'Andriamanitra sy ny hankasitrahana eo imasony aza, amin'ny alalan'ny finoana ny asan'llay Mpanavotra antsika.

Vakio ny 1 Pet. 2:4-6 ary ampitahao amin'ny Heb. 11:6. Inona no ambaran’izany amintsika ny amin'ny fomba ahazoana sitraka amin'Andriamanitra?

Tsy misy zava-tsoa hain'ny olombelona lavo omena an'Andriamanitra raha tsy miditra an-tsehatra Andriamanitra. Noho ny fahasoavany sy ny famindrampony dia nanolotra vahaolana tamin'ny alalan'ny asan'i Kristy Izy. "Amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy" tokoa no ahafahantsika manatitra "fanati-panahy sitrak'Andriamanitra." - 1 Pet. 2:5. Kanefa "raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy" - Heb. 11:6, ary amin'ny alalan'ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy no hanaovan'Andriamanitra antsika ho mpino "tanteraka (...) amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatintsika izay ankasitrahana eo imasony Izy, amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena." - Heb. 13:21. Isaina ho marina eo imason'Andriamanitra, noho ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy, ireo izay mamaly Azy amin'ny finoana. Ny fahamarinan'i Kristy irery ihany no azo ekena. Ary ireo izay mamaly ny antsom-pitiavan'Andriamanitra dia isaina ho mendrika noho ny fanelanelanana ataon'i Kristy (Lio. 20:35), ovany hitovy Aminy (Kôr. 15:51-57, 1 Jao. 3:2). Manao asa fanavotana ho antsika, sy ao anatintsika Andriamanitra.

Nahoana no mampahery tokoa ny hoe manao asa fanelanelanana ho anao any an-danitra i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal